Posted in Actualités

Lanonana tsotra ho fisaorana sy fankasitrahana.

Lanonana tsotra ho fisaorana sy fankasitrahana an’A/toa ANDRIATIANARIVELO René José, Tonia Mpampanoa Ambony teo anivon’ny Fitsarana Tampony (PGCS) sy R/toa RATIARAISOA Harimahefa, Mpandrindra Nasionaly ny “PAC” teo aloha izay handeha hisotro ronono.

⭐Nitarika sy nanome voninahitra ny fotoana i A/­toa RAKOTOZAFY François, Mpitahiry ny Tombokasem-panjaka­na­, Minisitry ny Fitsarana.

Posted in Autres Evenements

SEKOLIM-PIRENENA MPANOFANA HO MPANDRAHARAHAN’ NY FONJA (ENAP).

🔷FITSINJOVANA NY FAHASALAMANA.

📌Ny zoma 23 Septambra 2022 dia nanolo-tànana ny Sekolim-pirenena Mpanofana ho Mpandraharahan’ ny Fonja na “Ecole Nationale de l’Administration Pénitentiaire” ao Antetezambaro Toamasina II ny banky BOA Madagascar ka nanome fitaovam- pitsaboana sy fitaovam- piasana hoentina hampiodinana sy hanokafana toeram- pitsaboana vaovao.
➡ Tanjona apetraky ny ENAP ny fanatsarana hatrany ny fampiofanana. Vatana salama sy tomady anefa no afaka manaraka izany. Ka nametraka tanjona ny sekoly ny amin’ ny hanorenana toeram- pitsaboana hanarahana maso ny fahasalaman’ ny mpianatra sy ny mpampiofana raha sanatria tojo tsy fahasalamana. Ny ENAP rahateo miorina 17 km miala an’ i Toamasina I.

🔴 Mitentina 15 818 354 Ariary izany fitaovana izany ary tonga nanolotra izany an’ Atoa Tale Jeneralin’ ny ENAP, IAPC RAZAFINTSALAMA Désiré sy ny mpiara-miasa aminy ireo tompon’ andraikitra avy ao amin’ny BOA Toamasina.

⭕Nisaotra azy ireo tamin’ny anaran’ ny Ministeran’ny Fitsarana ny Tale Jeneralin’ ny ENAP. Antenaina fa hanamora ny fandraisana an- tanana ny fitsaboana ny mpiofana ao amin’ny ENAP izany rehetra izany.

Posted in Annonces et Informations

FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA.

📌Lohahevitra vaovao indray no indro entina amintsika mandritry ny roa herinandro dia ny mahakasika ny Didim-pitsarana misolo sora-pahaterahana na ny « Jugement supplétif de naissance ».
Ny lalàna mifehy izany dia ny Lalàna laharana faha 2018-027 tamin’ny 08 febroary 2019 mifehy ny sora-piankohonana.

🔷TADIDIO fa : NY FE-POTOANA HANAMBARANA
Telopolo (30) andro aorian’ny fahaterahana farafahatarany no tsy maintsy anaovana ny fanambarana izany fahaterahana izany.

🔷AHOANA NO ATAO RAHA DILA IO FE-POTOANA IO KANEFA TSY VITA ILAY FANAMBARANA FAHATERAHANA ? :
Mangataka didy misolo sora-pahaterahana any amin’ny Fitsarana mba hanoratana izany fahaterahana izany ao anatin’ny bokin’ny sora-piankohonana.
Izany indrindra no anentanana ny ray aman-dreny mba hanao ara-potoana ny fanambarana fahaterahana mba hisorohana ilay paik’ady ara-pitsarana. Efa nomen’ny lalàna fotoana lava be mihitsy mantsy anaovana izany.

🔷IREO AFAKA MANAO NY FANGATAHANA DIDIM-PITSARANA MISOLO SORA-PAHATERAHANA :
👉Ny ray, ny reny, ny iray tampo na ny mpitaiza raha zaza ilay tsy manana kopia ;
👉Ny tenan’ilay olona tsy manana kopia ;
👉Ny Fokontany, ny Kaominina na ny rafitra tsy miankina (ONG) ihany koa dia afaka mangataka ny hanaovana fotoam-pitsarana faobe ho an’ireo zaza tsy manana kopia eo amin’ny fiadidiany.

🔷FITSARANA MAHEFA :
Ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao amin’ny toerana nahaterahan’ilay olona tsy manana kopia.

Posted in Actualités

Fifamindram-pahefana.

📌Tontosa anio teto @ biraon’ny « Pôle Anti-Corruption » 67 ha ny fifamindram-pahefana­ teo amin’ny Mpandrindra Nasionaly ny “PAC” teo aloha R/toa RATIARAISOA Harimahefa sy R/toa RABARIJOHN Rivonandrianina izay voatendry hisahana izany andraikitra vaovao izany indray.
➡ Tsy miasa irery hoy izy ny “Pole Anti-Corruption » ka hohatsaraina ny fiaraha-miasa amin’ireo sampan-draharaha miady amin’ny kolikoly hafa eto amin’ny tany sy ny firenena mba hifandrindra tsara ny asa.
➡ Tanjona ihany koa ny hanantanterahana ny vinan’ny napetraky ny Ministeran’ny Fitsarana dia ny Fitsarana miady amin’ny kolikoly sy manakaiky vahoaka.
Efa amperinasa tanteraka ny “PAC” eto Antananarivo sy any Mahajanga, ary tsy hoe ela ny fametrahana ny ao Fianarantsoa izay efa eo an-dalam-panamboaran­a tanteraka, ary vinavinaina ho vita amin’ny taona ho avy.

🔷 Ho an’ireo faritra hafa kosa dia ezahana ho “Antenne” no hiasa ho fandrindràna: ny an’ny Toamasina dia eto Antananarivo no miandraikitra izany , ny an’ny Antsiranana dia ny ao Mahajanga ary ny an’ny Toliara kosa dia Fianarantsoa no handrindra ny Fitsarana.

Posted in Actualités

FIHANIANAN’NY FILOHA VOALOHAN’NY FITSARANA AMBONY ANTSIRANANA.

📌Nanatanteraka ny Fihanianany teo anivon’ny Fitsarana Tampony ny Filoha voalohan’ny Fitsarana Ambony ao Antsiranana, R/toa SAJY JULNA anio 21 Septambra 2022.

⭕Nandritra ny tafatafa natao tamin’ny mpanao gazety no nanantitranterany ny fahavononany hanantanteraka ny vinan’ny Ministeran’ny Fitsarana izay mifantoka amin’ny Fitsarana manakaiky vahoaka.

Ny fanafainganana ny raharaha ady tany no anisany vaindoan-draharahany­, izay raha teo no mampikaikaika ny vahoaka matetika
🎥🎤 Araho ny valan-dresaka nataon’i R/toa SAJY JULNA, Filoha voalohan’ny Fitsarana Ambony-Antsiranana tamin’ireo mpanao gazety.