DOMAINE PRIVE DE L’ETAT.

TSARA HO FANTATRA MOMBA NY TANIM-PANJAKANA AZO AMIDY

📌 LALANA MIFEHY
👉 Lalàna laharana faha 2008-014 tamin’ny 23 jolay 2008 momba ny fananana azo amidy an’ny Fanjakana, ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana ary ny fikambanana hafa fehezin’ny lalàna ifampitondran’ny daholobe.

👉 Didim-panjakana laharana faha 2010-233 tamin’ny 20 aprily 2010 ampiharana ny lalàna laharana 2008-014 tamin’ny 23 jolay 2008.

🔹 I. IREO TANY SOKAJIANA HO TANIM-PANJAKANA AZO AMIDY:

👉 Tany vita titra na vita kadasitra amin’ny anaran’ny Fanjakana Malagasy;
👉 Tany tsy mbola vita titra saingy tsy nodiavim-pangady na tsy mbola nisy fanajariana mihitsy hatrany amboalohany.
👉 Tanim-panjakana tsy azo amidy teo aloha (domaine public) saingy niova sata ka lasa tanim-panjakana azo amidy.

🔹 II. FEPETRA ITANTANANA NY TANIM-PANJAKANA:

Mikirakira ny fananany toy ny olon-tsotra ny Fanjakana ka azony atao malalaka ny mivarotra, mampanofa, manakalo, manome maimaim-poana…saingy atao manaraka ny fepetra voalazan’ny lalàna izany.

🔹 III. IREO FOMBA ITANTANANA NY TANIM-PANJAKANA :

👉 Fampanofana : fampanofana tsotra na fampanofana maharitra( bail emphythéotique)
👉 Fanokanana arahina fepetra ao anatin’ny fotoana voafetra (affectation) : tany ho an’ny Ministera
👉 Fanomezana maimaim-poana ( dotation): ho an’ireo Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana;
👉 Fanomezana tany hampiasaina maimaim-poana (mise à disposition gratuite): foto-drafitr’asa ho an’ny tombotsoa ara-tsosialy, ara-kolotsaina, ara-tsiansa.
👉 Fifampivarotana ( raikitra, raha latsaky ny 10ha ; arahina fepetra raha mihoatra 10ha).

🔹 IV. IZA NO AFAKA MANGATAKA TANIM-PANJAKANA:

👉 Olon-tsotra
👉 Orinasa
👉 Fikambanana
👉 Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana
👉 Ministera

🔹 V. IREO MANAM-PAHEFANA HANAO FIFANARAHANA MOMBA NY TANIM-PANJAKANA:

👉 Tany eny amin’ny Kaominina an-drenivohitra:
>Raha tany latsaky ny 1000 m2: ny solontenam-panjakana eny anivon’ny Faritra;
>Raha tany mihoatra ny 1000 m 2: ny Ministra misahana ny fananan-tany;
👉 Tany eny amin’ny Kaominina ambanivohitra:
>Raha tany latsaky ny 50 ha: ny solontenam-panjakana eny anivon’ny Faritra;
>Raha tany mihoatra ny 50 ha: ny Ministra misahana ny fananan-tany
👉 Ny fanomezana tany maimaim-poana (dotation), ny fanokanana (affectation) sy ny fanomezana tany hampiasaina maimaim-poana (mise à disposition gratuite): ny Ministra misahana ny fanana-tany;

🔹 VI. IREO DINGANA ARAHINA RAHA HANGATAKA TANIM-PANJAKANA:

1. Fakana ny sarin’ilay tany angatahina (plan régulier) ao amin’ny sampan-draharahan’ny fandrefesan-tany, raha tsy vita titra ilay tany, na fakana ny saritany ofisialy(plan officiel) ao amin’ny sampan-draharahan’ny fandrefesan-tany raha efa vita titra na kadasitra ilay tany;
2. Fametrahana ny fangatahana miaraka amin’ny “plan” an’ilay tany sy fandoavana ny vola antoka (cautionnement) ao amin’ny sampan-draharahan’ny fananan-tany mahefa;
3. Fidinana eny an-toerana hijerena ny zava-misy eny ifotony sy ny toetry ny tany: tany tsy mbola nisy nangataka no anaovana fangatahana;
4. Fakana ny hevitry ny sampan-draharaha hafa voakasiky ny fangatahana;
5. Famerenana fitiliana sy famaritana ny refin-tany angatahina raha toa ka nisy fanitsina;
6. Famaritana ny fomba hanomezana ny tany sy ny vidiny ataon’ny manam-pahefana;
7. Fanaovana titra sy baorina amin’ny anaran’ny Fanjakana Malagasy, raha tany lava volo mbola tsisy titra na kadasitra, iantohan’ny mpangataka;
8. Fandoavana ny vola vidin’ny tany ao amin’ny sampan-draharahan’ny fananan-tany;
9. Fanamboarana ny taratasy fifampivarotana;
10. Fankatoavana ny varotra ataon’ny solotenam-panjakana mahefa;
11. Firaketana ( enregistrement ) ny taratasy fifampivarotana any amin’ny sampan-draharahan’ny hetra;
12. Fampahafantarana (notification) ny mpangataka ny fankatoavana ny varotra;

🔹 VII. IREO ANTOTAN-TARATASY ILAINA:

👉 Fangatahana alaina eo amin’ny Fari-piadidian’ny fananan-tany (02)
👉 Fanamarinana fananan-tany (certificat de situation juridique) raha toa ka efa misoratra amin’ny Fanjakana ilay tany;
👉 Sarin-tany manara-penitra (plan régulier) misy ny faritry ny tany angatahina (02) raha tany tsy vita titra na sarin-tany ofisialy (02);
👉 Fitànana an-tsoratra ny famaritana ny tany sy fanamarinana tsy fisiana fanamaintisamolaly omen’ny Fokontany raha tany tsy vita titra na kadasitra;
👉 Drafitra momba ny tetik’asa kasaina hatao eo amin’ny tany raha tany mihoatra ny 10ha;
👉 Ny mombamomba ny mpangataka.

🔹 VIII. NY FITSARANA MAHEFA RAHA MISY FIFANOLANANA MAHAKASIKA NY TANIM-PANJAKANA

👉 Ny FITSARANA ADY MADIO (Tribunal civil) misy ao amin’ny toerana iorenan’ilay tany no mahefa hitsara raha misy fifanolanana mifandraika amin’ity sokajim-pananana ity.
👉 Famakiana ady amin’ny alalan’ny fangatahana ataon’ny mpitory na ny mpisolo vava azy (requête) na amin’ny alalan’ny vadintany (assignation) no ampidirana ny raharaha;
👉 Misy ny sara aloa izay tsipihina fa eny amin’ny Lehiben’ny firaketan-draharaha irery ihany (Greffier en Chef) no andoavana izany ary andraisana rosia.

Télécharger la brochure