Pension alimentaire

NY SOLON-TSAKAFO

NY ATAO HOE « SOLON-TSAKAFO »
– Vola aloan’ny ray na ny reny amin’ny iray amin’ izy ireo entina iantsorohana ny famelomana ny zaza iombonana (nateraka na natsangana na nozanahana)
– Adidy sy andraikitry ny ray aman-dreny ny mikarakara sy mandray an-tànana ny fiainana sy fianaran’ny zanany
– Ferana arakaraky ny fidiram-bolan’ny andaniny sy ny ankilany ary ny filàn’ireo zanany

RAHOVIANA NO AFAKA ANGATAHINA IZANY ?
– Amin’ny fotoana hampidirana ny fangatahana ny fisaraham-panambadiana eny anivon’ny Fitsarana
– Ho an’ireo ray aman-dreny tsy vita soratra ara-panjakana kosa fa nanjanaka ilay zaza iombonana fotsiny ihany ny rainy dia afaka mangataka izany eny anivon’ny Fitsarana ny iray amin’izy ireo izay mihazona ny zaza iombonana.

FITSARANA MAHEFA :
Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao amin’ny toeram-ponenan’ny toriana

IREO ANTONTAN-TARATASY ILAINA :
– Taratasy fangatahana alefa amin’ny Lehiben’ny Fitsarana, misy ny adiresy mazavan’ny mpangataka sy ny toriana ary mamaritra mazava tsara ny vola angatahana,
– Ny sora-panambadiana sy ny dika mitovin’ny bokim-pianakaviana (raha nisoratra ara-panjakana),
– Ny sora-pahaterahan’ireo zaza iombonana (nateraka na natsangana na nozanahana),
– Ny sora-panjanahana na sora-pananganan’ireo zaza iombonana,
– Ny taratasy fanamarinana ny vola miditra amin’ireo ray aman-dreny (oh : fanamarinan-karama),
– Ny taratasy rehetra manamarina ny fandaniana momba ireo zaza (oh :rosia nandoavana ny saram-pianarana, ny fandaniana aminy isam-bolana)

AVANTANA AMIN’IZA ARY IREO REHETRA IREO ?
Amin’ny Lehiben’ny mpirakidraharaham-pitsarana

SARAN’NY FAMPIDIRANA NY FANGATAHANA ENY AMIN’NY FITSARANA
Roa arivo sy telo alina Ariary (32.000 Ar)
Izay aloa ao amin’ny lehiben’ny mpirakidraharaham-pitsarana ka manome rosia nandoavana izany

NY PAIK’ADY :
– Mahazo fiantsoana hiatrika fitsarana ny ray sy ny reny ary izy ireo irery ihany no manatrika izany fa tsy soloina tena,
– Didim-pitsarana mivoaka ampahibemaso no mametra ny solon-tsakafo aloan’ilay toriana amin’ny ankilany ary izany didy izany dia tanterahina avy hatrany na dia nanao fampakàrana Fitsarana Ambony aza izy

MBOLA AZO ANGATAHANA FAMPIAKARANA NA FAMPIDINANA VE NY MARI-BOLA SOLON- TSAKAFO VOAFARITRA AO ANATY DIDY ?
Eny, raha toa ka misy fiovana eo amin’ny fidiram-bolan’ireo ray aman-dreny na ny filàn’ ireo zaza iombonana (oh : akaran’ny fandaniana momba ireo zaza iombonana, fiovana asa ka niteraka fihenana na fisondrotan’ny karama…)

ARY AZON’ILAY NOTORIANA ATAO IHANY KOA VE NY MANGATAKA NY HAMPITSAHARANA MIHITSY ILAY FANDOAVANA SOLON-TSAKAFO ?
Eny, raha toa ka nafindra aminy ny fihazonana ny zaza iombonana

Pension alimentaire