Successions en l’absence de testament

IREO FEPETRA ANKAPOBENY MIFEHY NY FANDOVANA SY NY FANDOVANA TSY NISIANA DIDIM-PANANANA

LALANA MIFEHY :
Lalàna laharana faha 68-012 tamin’ny 04 jolay 1968 mikasika ny fandovana, ny didim-pananana ary ny fanolorana

INONA NO ATAO HOE « FANDOVANA » ?
Famindrana ireo fananana navelan’ny maty (fananana, zo sy adidy) amin’olona iray na maromaro manan-jo handray izany, antsoina hoe mpandova.

IREO KARAZANA FANDOVANA :
Misy karazany roa (2) ny fandovana :
· Ny fandovana tsy misy didim-pananana : manaraka ny filaharana voalazan’ny lalàna ny laharam-pandovana,
· Ny fandovana nisiana didim-pananana : talohan’ny nahafatesany, dia efa nalamin’ny tompom-pananana an-tsoratra mialoha ny fandovana azy.

FISOKAFAN’NY FANDOVANA :
Ny fotoana : Amin’ny vanin’andro nahafafatesan’ilay olona lovaina.
Ny toerana : Any amin’ny toeram-ponenana faran’ ilay maty ; raha ankizy no lovaina, dia ao amin’ny toeram-ponenan’ny rainy na izay manam-pahefana aminy .
Porofo : Sora-pahafatesan’ny maty.
Ny fitsarana mahefa raha misy fifanolanana :
· Ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany miorina ao amin’io toerana io no mahefa hitsara raha misy fifanolanana momba ny fandovana,
· Raha trano sy tany kosa no lovaina, dia ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany misy ireo tany sy trano no mahefa.

NY LAHARAM-PANDOVANA (TSY NISY DIDIM-PANANANA) :
– Tsy misy fanavahana mahalahy na mahavavy na ny fizokiana ny fananana zo handova,
– Nosokajiana ao anaty kilasy sivy (9) ny mpandova, ka ny fisian’ny mpandova ao amin’ny kilasy ambony dia mitarika ny tsy fandovan’ny kilasy ambany :
1- Ny zanaka,
2- Ny zafikely (ny zanaky ny zanaka nateraka),
3- Ny ray sy ny reny niteraka,
4- Ny iray tampo,
5- Ny zanaky ny mpiray tampo,
6- Ny iray tampo amin’ny ray sy ny iray tampo amin’ny reny (dadatoa na nenitoa),
7- Ny zanaky ny mpiray tampo amin’ny ray sy ny zanaky ny mpiray tampo amin’ny reny,
8- Ny vady vita soratra,
9-Ny Fanjakana

IZA NO ATAO HOE « ZANAKA » ?
· Izay nateraky ny maty,
· Izay zaza natsangana ara-pitsarana,
· Izay zaza natsangana tsotra teny anivon’ny kaominina.

 IREO OLONA SOKAJIN’OLONA TSY MANDOVA :
· Ny zanaka nateraka tao anatin’ny fijangajangana;
· Ny zanaka nahilika ara-pitsarana tsy ho zanaka intsony (rejeté) ;
· Ny olona nambaran’ny didim-pitsarana fa tsy mahazo mandova (déclaré indigne).

TADIDIO

► Ny lova avy amin’ny ray dia mijanona amin’ny mpandova avy amin’ny lafin-dray ihany. Ary ny lova avy amin’ny reny dia lovain’ny mpandova avy amin’ny lafin-dreny.
► Raha misy mpandova maty mialohan’ny fisokafan’ny fandovana, nohon’ny fisoloan-tena (représentation) izay voalazan’ny lalàna, dia maka ny laharana na kilasy tokony nananany ireo manan-jo aminy (ayants droits) ka mandova ihany koa.

IREO DINGANA ARAHINA AMIN’NY FANDOVANA :
1. FANAMBARANA FAHAFATESANA (déclaration de décès) :
· Ao anatin’ny 30 andro aorian’ny fahafatesana no anaovana ny fanambarana fahafatesana (Lalàna laharana 2018-027 t@ 08/02/19 momba ny fiankohonana ao @ and. faha 52)
· Raha tsy vita ao anatin’io fe-potoana voalaza io dia tsy maintsy angatahana didim-pitsarana misolo sora-pahafatesana.

2. FANAMARINANA MAHA–MPANDOVA (acte de notoriété) :
· Taratasy izay anaovan’ny vavolombelona miisa efatra fanambarana sy fitanisana ireo hany mpandova.
· Any amin’ny notera, na ny mpiraki-teny mpiasam-panjakana mpanato soratra (Chef d’Arrondissement Administratif na ny Lehiben’ny Mpirakidraharaham-pitsarana) no anaovana izany fanambarana izany.
· Azo atao ny mangataka eny anivon’ny fitsarana ny hanafoanana izany raha misy fanambarana tsy marina ao anatiny. (Oh : nisy mpandova tsy nampidirina)
· Heverina ho manao hosoka ny fanaovana fanambarana tsy marina ao anatin’ny fanamarinana maha mpandova.

3.TOMBAM-PANANANA (déclaration de successions) :
· Paik’ady tsy maintsy arahina atao eny amin’ny ivon-toerana fanefana hetra ( centre fiscal) mba handoavana ny hetra tokony aloa amin’ny fandovana (certificat de paiement),
· Takiana ny taratasy manamarina fa an’ilay maty tokoa ireo fananana izay tanisaina ao.

4. FIZARAM-PANANANA (partage):
· Tsy maintsy atao raha maromaro ny mpandova,
· Ny tsirairay amin’ny mpandova dia afaka mitaky azy satria tsy azo terena hijanona ao anatin’ny fiombonam-panana ny mpiray lova.

TADIDIO

► Azo atao raharaham-pihavanana ny fizarana rehefa mifanaraka ny rehetra, ary azo atao ny mangataka ny hanaovana fankatoavan’ny fitsarana ( homologation) ilay taratasy fizarana .
Tsy maintsy atao ara-pitsarana kosa ny fizarana :
· Raha misy tsy manaiky ny fizarana,
· Raha tsy vory lanina ny mpandova satria misy tsy eo an-toerana,
· Raha tsy mifanaraka ny rehetra,
· Raha misy tsy ampy taona na olona nahazo fiahiana « majeur sous tutelle ».

5. NY FAMINDRAM-PANANANA (mutation) :
Soratana amin’ireo mpandova rehetra ny fananana navelan’ny maty.

Brochure