Successions testamentaires

NY FANDOVANA ARAKA NY DIDIM-PANANANA

LALANA MIFEHY :
Didy Hitsivolana laharana faha 68-012 tamin’ny 04 jolay 1968 mikasika ny fandovana, ny didim-pananana ary ny fanolorana

NY DIDIM-PANANANA :
Didy navelan’ny maty hamaritra mialoha ireo ho tompon’ny fananany aorian’ny fahafatesany,
• Noho izany, dia afaka mamindra tànana ny fananany manontolo na ny ampahany amin’ny alalan’ny didim-pananana amin’ny fotoana izay tsy ahavelomany intsony ny olona iray.

FEPETRA MIKASIKA ILAY MANAO DIDIM-PANANANA :
• Olona salama saina,
• Manan-jo araka ny lalàna,

IZA AVY NO AFAKA OMEN’ILAY MPANAO DIDIM-PANANANA NY FANANANY ?
Masi-mandidy amin’ny fananany ny olona iray ka afaka misafidy izay olona tiany hamindrany izany :
• Ny zanany iray na maromaro,
• Ny ray aman-dreniny na ny raibe sy renibeny, na ny havany,
• Na olon-kafa mihitsy ivelan’ny fianakaviany,
• Na karazana fikambanana ihany koa,
• Eny fa na ny zanany efa nariany aza.

INONA OHATRA NO TOKONY HO HITA AO ANATY DIDIM-PANANANA ?
• Manondro izay na ireo omena ny fananana amin’ny ampahany na manontolo,
• Manala taranaka tsy ho isan’ny mpandova,
• Manangana « fondation »,
• Mamaritra izay fomba atao amin’ny fandevenana,
• Mizara amin’ireo taranaka ny fananana…

INONA AVY IREO KARAZANA DIDIM-PANANANA ?
Misy karazany 3 ny didim-pananana :
• Ny didim-pananana olografy,
• Ny didim-pananana miafina,
• Ny didim-pananana ampahibemaso,
Fa misy ihany koa ny atao hoe « hafatra faran’ny maty »

NY DIDIM-PANANANA OLOGRAFY :
Sora-tànana fenon’ny mpanao didim-pananana misy daty sy soniany,
• Apetraka any amin’ny Notera na ny officier public authentificateur na olon-tsotra,
• Tsy misy endrika manokana ny fandrafetana azy

NY DIDIM-PANANANA MIAFINA :
• Na sora-tànan’ny mpanao didim-pananana na sora-tànan’olon-kafa na natao « saisie » mihitsy aza fa tsy maintsy soniavin’ilay mpanao didim-pananana,
• Apetraka any amin’ny Notera na ny officier public authentificateur miaraka amin’ny vavolombelona roa izay fianakavian’ilay mpanao didim-pananana no tena tsara,
• Asian’ny Notera na ny officier public authentificateur fitombokase avy hatrany,
• Mandrafitra fitànana an-tsoratra nandraisana izany ilay Notera na officier public authentificateur izay soniaviny miaraka amin’ny mpanao didim-pananana sy ny vavolombelona,

NY DIDIM-PANANANA AMPAHIBEMASO :
• Ny Notera na ny officier public authentificateur no manao ny soratra eo anatrehan’ny mpanao didim-pananana sy ny vavolombelona roa,
• Tsy maintsy vakiany ho ren’ny mpanao didim-pananana sy ny vavolombelona izany alohan’ny anaovan’ny rehetra sonia.

NY HAFATRA FARAN’NY MATY :
• Tsy didim-pananana akory fa fanambarana ny sitrapo faran’ny maty,
• Ny tanjona dia ny mba hizarana ny fananan’ny maty amin’ireo zanany,
• Tsy maintsy olona efa ambavahaonan’ny fahafatesana no manao fanambarana ary antsoina manatrika eo ny Sefo Fokontany na ny olo-be eo an-tanàna miaraka amin’ny vavolombelona 4 (2 fianakaviana ary 2 olona ivelany),
• Rehefa maty ilay mpanao fanambarana dia mila mandeha any amin’ny Notera na ny officier public authentificateur ny olona nandray ny fanambarana mba hanoratana ny haha-to izany

FANAMARIHANA : 
• Afaka ovain’ny tompony foana ny didim-pananany mandra-pahafatiny,
• Tonga tsy manan-kery ny didim-pananana raha toa ka:
 Maty alohan’ny mpanao didim-pananana ilay olona notondroiny handova azy,
Raha natolotry ny iray amin’ny mpivady ho an’ny vadiny ilay fananany kanefa nisaram-panambadiana izy ireo taty aoriana na koa nofoanana ilay fanambadiana,
Raha mandà tsy handray izany ny notolorana,
Raha simba ilay fananana natolotra mandra-pahafatin’ilay mpanao didim-pananana

Brochure