Jugement Supplétif de Naissance

NY DIDIM-PITSARANA MISOLO SORA-PAHATERAHANA

LALANA MIFEHY
Lalàna laharana faha 2018-027 tamin’ny 08 febroary 2019 mifehy ny sora-piankohonana

NY FE-POTOANA HANAMBARANA FAHATERAHANA :
Telopolo (30) andro aorian’ny fahaterahana

AHOANA NO ATAO RAHA DILA IO FE-POTOANA IO KANEFA TSY VITA ILAY FANAMBARANA FAHATERAHANA?
Mangataka didy misolo sora-pahaterahana any amin’ny Fitsarana mba hanoratana izany fahaterahana izany ao anatin’ny bokin’ny sora-piankohonana

IREO AFAKA MANAO NY FANGATAHANA DIDIM-PITSARANA MISOLO SORA – PAHATERAHANA
– Ny ray, ny reny, ny iray tampo na ny mpitaiza raha zaza ilay tsy manana kopia ;
– Ny tenan’ilay olona tsy manana kopia ;
– Ny Fokontany, ny Kaominina na ny rafitra tsy miankina (ONG) ihany koa dia afaka mangataka ny hanaovana fotoam-pitsarana faobe ho an’ireo zaza tsy manana kopia eo amin’ny fiadidiany.

FITSARANA MAHEFA :
Ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao amin’ny toerana nahaterahan’ilay olona tsy manana kopia

IREO ANTONTAN-TARATASY ILAINA:
– Taratasy fangatahana ,
– Taratasy fanamarinana fikarohana tsy nahitambokatra avy amin’ny Kaominina,
– Taratasy manamarina ny fahatarana fanambarana avy amin’ny Kaominina,
– Taratasy manamarina avy amin’ny mpitsabo mpiasam-panjakana manombatombana ny taonan’ilay zaza sy ny mahalahy na mahavavy azy (Rapport d’examen somatique)
– Fanamarinam-ponenan’ny mpangataka,
– Sora-pahaterahan’ireo ray aman-dreny sy ny sora-panambadiana raha vita soratra,
– Ny dika mitovin’ny karapanondron’ny vavolombelona 2.

MAIMAIMPOANA VE NY FAMPIDIRANA NY FANGATAHANA ENY AMIN’NY FITSARANA ?
Eny, tsy misy sarany aloa fa maimaimpoana

NY PAIK’ADY ARAHINA SY NY FOTOAM-PITSARANA :
– Ampidirina ao amin’ny lehiben’ny mpirakidraharaham-pitsarana ireo antontantaratasin’ady voalaza teo ambony,
– Ny mpangataka dia tsy maintsy miseho eo anoloan’ny fitsarana miaraka amin’ny zaza angatahana kopia sy ny vavolombelona roa feno 21 taona farafahakeliny, efa manana kara-panondrom-pirenena,
– Ampahibemaso azon’ny olona rehetra atrehina ny fotoam-pitsarana,
– Ento izay porofo rehetra hanohananao ny fangatahanao.

AORIAN’NY FOTOAM-PITSARANA :
– Entina any amin’ny Kaominina nahaterahan’ ilay olona ilay didy,
– Izay vao afaka manoratra ny fahaterahana ao amin’ny boky firaiketana ny tompon’andraikitry ny sora-piankohonana,
– Afaka mamoaka sora-pahaterahana amin’izay ilay Kaominina avy eo.

Jugement Supplétif de Naissance