Certificat de nationalité malagasy

TARATASY FANAMARINANA NY FIZAKANA NY ZOM-PIRENENA MALAGASY

LALANA MIFEHY
Didy hitsivolana laharana faha 60-064 tamin’ny 22 Jolay 1960 novaina sy nofenoin’ny lalàna laharana faha 61-052 tamin’ny 13 desambra 1961, sy ny lalàna laharana faha 62-005 tamin’ny 6 jona 1962, sy ny didy hitsivolana
laharana faha 73-049 tamin’ny 27 Aogositra 1973, sy ny lalàna laharana faha 95-021 tamin’ny 18 septambra 1995 ary ny lalàna laharana faha 2016-038 tamin’ny 25 janoary 2017 mikasika ny fehezan-dalàna momba ny fizakana ny zom-pirenena Malagasy.

IZA NO ATAO HOE MALAGASY?
-Ny zaza nateraky ny ray sy/ na reny Malagasy.
-Ny zaza izay teraka teto Madagasikara, tsy fantatra ny ray aman-dreniny kanefa azo heverina fa ny iray amin’izy ireo dia Malagasy mandra-pisian’ny porofo
mifanohitra amin’izany.
-Ny zaza hita teto Madagasikara izay heverina fa teraka teto mandra-pisian’ny porofo mifanohitra amin’izany.

INONA NO ANTSOINA HOE “CERTIFICAT DE NATIONALITE MALAGASY”?
Taratasy manamarina fa mizaka ny zom-pirenena Malagasy ny olona iray.

IZA NO AFAKA MANOME NY “CERTIFICAT DE NATIONALITE MALAGASY”?
Ny Filohan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany irery ihany no afaka manome azy

PAIK’ADY ARAHINA
– Manao fangatahana ilay olona mangataka “certificat de nationalité” izay alefa any amin’ny Filohan’ny Fitsarana Ambaratonga voalohany misy ny toerana ipetrahany.
– Aterina ao amin’ny biraon’ny Sekretera manokan’ny filohan’ny Fitsarana Ambaratonga voalohany ny fangatahana ary ampiarahina amin’izany ny antotan-taratasy ilaina sy ny porofo rehetra.

INONA AVY IREO ANTONTAN-TARATASY AMPIARAHANA AMIN’NY FANGATAHANA ?
– Kopian’ny sora-pahaterahan’ny mpangataka
– Kopian’ny bokim-pianakavian’ny Ray aman- drenin’ny mpangataka (tsara raha vita fanamarinana tany amin’ny firaisana) na sora-panambadian’ny Ray aman-drenin’ny mpangataka
– Taratasy fanamarinam-ponenan’ilay mpangataka

MISY SARANY VE NY FANAOVANA AN’IZANY?
Misy sarany roa arivo Ariary (2000Ar) ny fangatahana.

Marihina fa tsy mandeha fotoam-pitsarana (audience) ny fangatahana «Certificat de Nationalité Malagasy» fa rehefa ampy tsara ny porofo rehetra manamarina fa mizaka ny zom-pirenena Malagasy ilay olona izay mangataka dia efa afaka manome izany ny Filohan’ny Fitsarana Ambaratonga voalohany.

Brochure