Lutte contre la corruption

NY ADY ATAO AMIN’NY KOLIKOLY
LALANA MIFEHY
Lalàna laharana faha 2016-020 tamin’ny 22 aogositra 2016 mikasika ny ady atao amin’ny kolikoly

INONA NO ATAO HOE KOLIKOLY ?
Araka ny famaritana nomen’ny « Transparency International » dia fampiasana ny fahefana izay anananao mba ahazoanao tombontsoa manokana.

AIZA AVY NO METY AHITANA NY KOLIKOLY ?
Na eo amin’ny sehatra ara-panjakana na eo amin’ny sehatra tsy miankina dia mety ahitana izany avokoa.

IREO KARAZANA KOLIKOLY NA IREO FANDIKAN-DALANA MANANA ENDRIKA KOLIKOLY MAHAKASIKA NY VAHOAKA :
1- Ny heloka kolikoly ara-bakiteny :
Ny kolikoly manome :
Fanomezana na fampanantenana tolotra na tombontsoa tsy ara-dalàna ataon’ny olona amin’ny tomponandraiki-
panjakana voatendry na voady mba hanatontosan’ity farany na tsia asa mifanandrify amin’ny andraikitra sahaniny.
> Samy enjehin’ny lalàna ihany koa na ireo izay nilatsaka ho mpanelanelana tamin’ny fanatanterahana ity heloka ity na ireo izay mahafantatra tsara kanefa nahazo tombontsoa vokatr’izany.

Ny kolikoly mandray :
Fitakiana na fangatahana na fandraisana fanomezana na tombontsoa tsy ara-dalàna ataon’ny mpiasa na
tomponandraiki-panjakana voatendry na voady mba hanatontosany na tsia asa mifanandrify amin’ny
andraikitra sahaniny.
> Enjehin’ny lalàna ihany koa ireo izay mahafantatra tsara ny fisian’ny heloka kanefa nahazo tombontsoa vokatr’izany.

2- Ireo fandikan-dalàna manana endrika kolikoly :

– Ny fakam-bola tsy ara-dalàna :
Fitakiana na fandraisan’ny tomponandraikim-panjakana sy mpitam-bolam-panjakana vola ho sarany na hetra na
tambin-karama izay fantany fa tsy tokona aloa na mihoatra ny tokony aloa.

– Ny fanomezana tombondahiny tsy ara-dalàna :
Fanomezana na kasana hanome tombontsoa tsy voamarina na mifanohitra amin’ny lalàna sy ny tsipika miaro
ny tovian-jo amin’ny faninanana eo amin’ny tsenam-baro-panjakana, ny famindrana ny tantanana ny raharaham-panjakana, ny dirana eo amin’ny sehatry ny asam-panjakana ary eo amin’ny fanjifana ny asa eny anivon’ny sampan-draharaham-panjakana rehetra.

> Enjehin’ny lalàna ihany koa ireo izay mahafantatra tsara ny fisian’ny heloka ka nahazo tombontsoa vokatr’izany.

– Ny fanararaotana amin’ny sahanana asa :
Fanararaotana ataon’ny mpiasa, tomponandraiki-panjakana voatendry na voady, araka ny asa sahaniny na ny toerana misy azy, hanaovana asa mifanohitra amin’ny lalàna amam-pitsipika mba hahazoan’ny tenany na olon-kafa na vondrona tombotsoa tsy tokony ho azo

– Ny fanararaotana fahafantarana olona :
Fangatahana na fampanantenana tombontsoa ataon’ny olona iray manararaotra ny toerana tazoniny eo amin’ny araha-monina mba ahazoany tombontsoa manokana amin’ny alalan’ny fampiasana izany toerany izany hanindrina sy hanangolena manam-pahefana na tomponandraiki-panjakana iray.

> Samy enjehin’ny lalàna ihany koa na ireo izay manaiky ny fangatahana, na ireo izay nilatsaka ho mpanelanelana
na ireo izay mahafantatra tsara ny fisian’ny heloka kanefa nahazo tombontsoa vokatry izany.

AHOANA NO TOKONY HO ATAO RAHA SENDRA IHARAN’NY TRANGANA KOLIKOLY NA MAHITA TRANGANA KOLIKOLY ?
Sahia mitoroka na mitory izany tranga izany avy hatrany.

AIZA AVY NO AFAKA ANAOVANA IZANY ?
Manana sady maromaro ilay olona voakasika:
– Manatona ny biraon’ny polisy na ny zandary eo amin’ny faritra nisian’ilay tranga mba hametraka toriana na
hanao ny torohana;
– Manatona ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly na ny BIANCO izay misy sampana manerana ny Faritany 6 eto Madagasikara;
– Mametraka toriana eny anivon’ny Fampanoavana ao amin’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany misy ny toerana nisehoan’ilay tranga na eny anivon’ny Fampanoavana eny amin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC.

MAIMAIMPOANA VE SA MISY VOLA ALOA NY FITORIANA ?
Eny, maimaimpoana avokoa izany

VOAARO MANOKANA VE NY MPANAO FITOROHANA NA NY NIARAM-BOINA NA NY VAVOLOMBELONA ?
ENY, samy arovan’ny lalàna avokoa na ny mpitoroka na ny niaram-boina na ny vavolombelona amin’izay mety ho valifaty ataon’ny mpanao heloka.

AZO ATAO VE NY MITOROTOROKA FOANA KANEFA TSY MISY AKORY ILAY TRANGA ?
> TSIA, ny torotorohana foana tsy misy fandikan-dalàna kolikoly na ireo endrika fandikan-dalàna mitovy aminy akory dia raisina ho heloka ampangana tsy mitombina izay voatondro sy sazian’ny fehezan-dalàna famaizana (and.373.1)

> Izany dia ho arovana ny olona amin’izay mety ho toe-tsaina ratsy ananan’ny hafa te-hitorotoroka fantany fotsiny kanefa tsy mitombina andaniny, ary mba tsy hanavesatra ny asa iantsorohan’ireo manam-pahefana mahefa amin’ny fandraisana ireny torohana ireny

NA IZANY AZA ANEFA DIA :
Entanina izay rehetra iharan’ny trangana kolikoly na vavolombelona nahita izany mba hitory na hitoroka ireny tranga ireny hamongorana ny kolikoly sy hanamasana ny maha Fanjakana tan-dalàna antsika.

MARINA VE FA NY LALANA MIKASIKA NY ADY ATAO AMIN’NY KOLIKOLY DIA NATOKANA HO AN’IREO VAHOAKA MADINIKA MPANAO KOLIKOLY FOTSINY IHANY ?
TSIA, ny lalàna dia natao ho an’ny rehetra tsy misy ankanavaka na iza izy na iza.

FA MANINONA ISIKA NO MIADY AMIN’NY KOLIKOLY ?
SATRIA NY KOLIKOLY dia:
• Mampitombo ny fahantran’ny vahoaka;
• Manafoana ny tovian-jo izay ananan’ireo rehetra manan-draharaha eny anivon’ny Fanjakana;
• Mamono ny faninana ara-barotra eo amin’ny samy mpandraharaha ara-ekonomika;
• Manohitohina ny fandrosoana ara-ekonomika.

AN’IZA ARY NY ADY AMIN’NY KOLIKOLY ?
AN’NY REHETRA dia:
• ny Fanjakana izay manana ny fahefana rehetra iadiana amin’izany (lalàna, olona, vola);
• ny araha-monina izay tokony hijoro handà kolikoly mba tsy ho ainana isan’andro izany;
• isika tsirairay avy mba tsy hisaina hanao kolikoly mihitsy ary sahy mitoroka izany raha sendra iharany na mahita tranga.

Télécharger la brochure