Jugement Supplétif de Décès

NY DIDIM-PITSARANA MISOLO SORA-PAHAFATESANA

LALANA MIFEHY
Lalàna laharana faha 2018-027 tamin’ny 08 febroary 2019 mifehy ny sora-piankohonana

NY FE-POTOANA HANAMBARANA FAHAFATESANA :
Telopolo (30) andro aorian’ny fahafatesana

AHOANA NO ATAO RAHA DILA IO FE-POTOANA IO KANEFA TSY VITA ILAY FANAMBARANA FAHAFATESANA ?
Mangataka didy misolo sora-pahafatesana any amin’ny Fitsarana mba hanoratana izany fahafatesana izany ao anatin’ny bokin’ny sora-piankohonana

IREO AFAKA MANAO NY FANGATAHANA DIDIM-PITSARANA MISOLO SORA – PAHAFATESANA
– Ny fianakavian’ny maty (vady, zanaka, ray, reny, iray tampo, raibe, renibe) ka afaka manamarina ny rohim-pihavanany amin’ny maty,
– Izay olona nanatrika ny nahafatesany
Raha toa ka marobe ny mpangataka dia afaka manome fahefana olona iray izay hisolotena azy ireo

FITSARANA MAHEFA :
Ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao amin’ ny toerana farany nonenan’ilay maty.

IREO ANTONTAN-TARATASY ILAINA:
– Taratasy fangatahana,
– Taratasy fanamarinana fikarohana tsy nahitambokatra avy amin’ny Kaominina misy ny toerana farany nonenan’ny maty,
– Taratasy manamarina ny fahatarana fanambarana avy amin’ny Kaominina,
– Taratasy manamarina ny fahafatesana avy amin’ny mpitsabo mpiasam-panjakana (fiche de constatation de décès),
– Taratasy fahazoan-dàlana handevina (permis d’inhumer),
– Sora-pahaterahan’ilay olona maty na ny dika mitovin’ny karapanondrony,
– Fanamarinam-ponenan’ny mpangataka,
– Ny dika mitovin’ny karapanondron’ny vavolombelona 2,

MAIMAIMPOANA VE NY FAMPIDIRANA NY FANGATAHANA ENY AMIN’NY FITSARANA ?
Eny, tsy misy sarany aloa fa maimaimpoana

NY PAIK’ADY ARAHINA SY NY FOTOAM-PITSARANA :
– Ampidirina eny amin’ny lehiben’ny mpirakidraharaham-pitsarana ireo antontantaratasy voalaza teo ambony,
– Ny mpangataka dia tsy maintsy miseho eo anoloan’ny fitsarana miaraka amin’ny vavolombelona roa feno 21 taona no farafahakeliny, efa manana karapanondrom-pirenena ary nahalala tsara ny maty
– Ampahibemaso azon’ny olona rehetra atrehina ny fotoam-pitsarana
– Ento izay porofo rehetra hanohananao ny fangatahanao

AORIAN’NY FOTOAM-PITSARANA :
– Entina any amin’ny Kaominina misy ny toerana farany nonenan’ny maty ilay didy,
– Izay vao afaka manoratra ny fahafatesana ao amin’ny boky firaiketana ny tompon’andraikitry ny sora-piankohonana,
– Afaka mamoaka sora-pahafatesana amin’izay avy eo ilay Kaominina.

Jugement Supplétif de Décès