CERTIFICAT FONCIER

DINGANA ARAHINA AHAZOANA KARATANY

📌 LALANA MIFEHY
👉 Lalàna laharana faha 2022-013 tamin’ny 01 aogositra 2022 manova ireo fepetra mifehy ny tantanana ny tanin’olon-tsotra tsy vita titra ;
👉 Didim-panjakana laharana faha 2022-1250 mamaritra ny fomba fampiharana ny lalàna laharana faha 2022-013 tamin’ny 01 aogositra 2022 manova ireo fepetra mifehy ny fitantanana ny tanin’olon-tsotra tsy vita titra ;

🔹 1- NY ANTONY ILANA NY KARATANY:

Entina hanaporofoina ny mahatompon’ny tany ara-dalàna ny olona iray.

🔹 2- FEPETRA TAKIANA AMIN’NY FANGATAHANA:

👉 Tany tsy mbola vita titra na kadasitra ;
👉 Tsy tafiditra ao anatin’ny tanim-panjakana na ao amin’ny faritra manana sata manokana ;
👉 Tany nohajariana nandritra ny 5 taona amin’ny fotoana anaovana ny fangatahana ;
👉 Fanajariana azo hamarinina, hitan’ny rehetra sy naharitra ary mifanaraka amin’ny fomba amam-panao misy eo an-toerana (ambanivohitra, andrenivohitra, fambolena sy ompiana) ;
👉 Tsy mihoatra ny 10 hektara ny habean’ny tany angatahana karatany

🔹 3- FAMETRAHANA FANGATAHANA:
PAIKA ARAHINA

👉 Manatona ny Birao Ifotony momba ny Fananan-tany ( BIF) miorina eo amin’ny toerana misy ilay tany ary mametraka ny fangatahana izay atao an- taratasy tsotra na taratasy ho fenoina izay alaina ao amin’ny BIF ;
👉 Mamory ireo taratasy rehetra ilaina ;
👉 Manefa ny sara voafaritry ny Kaominina momba ny fanaovandraharaha eo anivon’ny BIF.

TARATASY FANGATAHANA :
Tsy maintsy ahitana ireto manaraka ireto
👉 ny mombamomba ny fiankohonan’ny mpangataka ;
👉 ny toerana sy ny mombamomba ilay tany ho angatahana, ny habeany sy ny manodidina azy ;
👉 ny laharan’ny tapakila nandrotsahana ny saram-pangatahana;
👉 ny sonia na ny lavotondron’ny mpangataka .

TARATASY AMPIARAHINA :
👉 Ampahan’ny sarin-tany maneho ny satan’ny tany rehetra ao amin’ny Kaominina na PLOF;
👉 Dika mitovin’ny karapanondro voamarina;
👉 Dika mitovin’ny tapakila nandrotsahana ny sara amin’ny fanaovana fangatahana karatany.

🔹 4- FANDINIHANA NY FANGATAHANA :

1. Raketin’ny mpiasan’ny BIF ao anaty Rejisitra ilay fangatahana ka ny datin’andro nandraketana izany no datin’andron’ilay fangatahana ;
2. Omanin’ny mpiasan’ny BIF ny fanapahana mikasika ny tsirihina ifotony izay hotanterahin’ny komity mpitsirika ary entiny soniavin’ny Ben’ny Tanàna,
3. Izany fanapahana izany dia :
👉 milaza ny mombamomba ny mpangataka sy ilay tany angatahana ;
👉 mamaritra ny fotoana hanaovana ny fitsirihina ;
👉 manendry sy mampiantso ireo olona handrafitra ilay komity mpitsirika ;
👉 mandidy ny fepetra fampahafantarana momba ilay fangatahana mba ahafahan’ny olona hafa manao fanamarihana na fanohanana raha misy ny antony tokony hanaovany izany.

> Ireto avy ny Komity mpitsirika
👉 Ben’ny tanàna eo amin’ny toerana misy ilay tany angatahana na ny solontenany ;
👉 Sefom-pokontany eo amin’ny toerana misy ilay tany angatahana na ny lefiny ;
👉 Ray aman-dreny miisa telo na solontenan’ny Fokontany miisa telo, izay fidian’ny Fokonolona amin’ireo olobe efa nonina teo an-toerana mihoatra ny 10 taona araka ny lisitra havaozina isan-taona avoakan’ny Ben’ny tanàna ary natao peta-drindrina tany amin’ny Kaominina sy ny Fokontany voakasika, 1 taona ny fe-potoana hiasan’izy ireo amin’izany ;
👉 Mpiasan’ny BIF.

Marihina fa tsy maintsy tonga manatrika ny telo ampahefan’ireo mpitsirika (3/4) vao afaka atao ny fitsirihina.

🔹 5- FAMPAHAFANTARANA :

👉 15 andro aorian’ny nandraisana ilay fanapahana no tsy maintsy hanaovana ny fampahafantarana.
👉 Atao peta-drindrina mandritry ny 15 andro eo anivon’ny BIF sy ny Kaominina ary ny Fokontany misy ilay tany angatahana ilay fanapahana.
👉 Mamoaka taratasy fanamarinana ny fahatontosan’izany peta-drindrina izany ireo tompon’andraikitry ny Kaominina sy ny Fokontany.

🔹 6- FITSIRIHINA IFOTONY :
NY ANDRAIKITRY NY KOMITY :

👉 Manamarina ny zaratany izany hoe mamantatra ny refy sy ny faritra misy ilay tany angatahana;
👉 Manamarina ny fanajariana natao ( ny faharetany, ny fisian’ny fanorenana , ny fambolena na fiompiana….)
👉 Mandray izay mety ho fanohanana;
👉 Mandamina izay mety ho fifanolanana mahakasika ilay tany;
👉 Manao sonia ny tànana an-tsoratra milaza ny fizotry ny fitsirihina, norafetin’ny mpiasan’ny BIF.

🔹 7- FANAPAHAN-KEVITRA MOMBA NY FANGATAHANA :
RAHA TSY MISY FANOHANANA (opposition)

Ekena na lavina ilay fangatahana.

1. Fanolorana ny karatany :
👉 Ny fangatahana izay nahafeno ny fepetra takian’ny lalàna ihany no mahazo izany.
👉 Soratana ao anatin’ny Bokin’ny fananan-tany ny zon’ilay mpangataka momba ilay tany.
👉 Rafetin’ny mpiasan’ny BIF ny volavolan’ilay karatany (projet de certicat);
👉 Soniavin’ny Ben’ny tanàna ny bokin-tany ( registre parcellaire) sy ilay volavolan’ny karatany.
👉 Atolotra ilay mpangataka ny karatany, 30 andro aorian’ny fitsirihina.

2. Fandavana ny fangatahana :
👉 Lavina ilay fangatahana rehefa tsy nahafeno ny fepetra takian’ny lalàna.
👉 Tsy maintsy mamoaka fanapahana milaza izany fandavana izany ny Ben’ny Tanàna.
👉 Tsy misy famerenana ny vola efa narotsaka nandritra ilay paikady.

RAHA MISY FANOHANANA

1. Momba ny fanohanana:
👉 Afaka manao fanohanana mikasika ilay fangatahana avokoa ireo izay mahita fa voatohitohina ny zony.
👉 Manomboka amin’ny andro nanaovana ny fangatahana ka hatramin’ny 30 andro aorian’ny tsirihina no fotoana ahafahana manao ny fanohanana.
👉 Samy afaka mandray ny fanohanana na ny mpiasan’ny BIF na ny komity mpitsirika mandritra ilay tsirihina.

2. Ny fandaminana ny fifanolanana:
👉 Manao fampihavanana ireo manana olana ny Komity mpitsirika mandritra ny fitsirihina.
👉 Raha nahomby izany dia raiketina ao anaty fitànana an-tsoratra.

Télécharger la brochure