Reconstitution de l’acte d’état civil

NY FANAVAOZANA SORA-PIANKOHONANA

LALANA MIFEHY :
Andininy faha 84 sy ny manaraka amin’ny lalàna laharana faha 2018-027 tamin’ny 08 febroary 2019 mifehy ny sora-piankohonana

INONA NO ANTONY HANGATAHANA FANAVAOZANA NY SORA-PIANKOHONANA ?
Raha toa ka rovitra, simba na may na tsy hita ny rejisitra misy ny sora-piankohonan’ny olona iray na ireo izay noho ny antony tsy fantatra dia tsy hita ao amin’ny rejisitra izany sora-piankohonana izany.

INONA AVY IREO KARAZANA SORA-PIANKOHONANA IREO ?
– Sora-pahaterahana,
– Sora-pahafatesana,
– Sora-panjanahana,
– Sora-pananganana,
– Sora-panambadiana,
– Sora-panariana.

IREO AFAKA MANAO NY FANGATAHANA FANAVAOZANA SORA-PIANKOHONANA :
Ilay olona voakasika na izay olona manao ny fangatahana amin’ny anarany (nomeny fahefana na raha tsy ampy taona izy dia ny rainy na ny reniny na izay olona manana fahefana aminy)

INONA AVY NO TOKONY HO HITA AO ANATY TARATASY FANGATAHANA ?
– Taratasy alefa amin’ny Filohan’ny Fitsarana, misy ny mombamomba ny mpangataka ;
– Ny anton’ny angatahana ilay fanavaozana sora-piankohonana (ohatra :tsy hita ny rejisitra na rovitra na may sns …)

FITSARANA MAHEFA :
Ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eo amin’ny toerana misy ilay Kaominina namoaka ilay sora-piankohonana

IREO ANTONTAN-TARATASY ILAINA :
· Taratasy fangatahana alefa amin’ny Filohan’ny Fitsarana,
· Taratasy fanamarinana ara-panjakana omen’ny Kaominina manamarina ny maha-rovitra na may na very ny rejisitra (certificat de recherches infructueuses),
· Sora-piankohonana ho avaozina (izay eo am-pelatanan’ny mpangataka na dia efa lany daty aza),
· Ny dika mitovin’ny karapanondron’ny mpangataka,
· Ny dika mitovin’ny karapanondron’ny vavolombelona 2,
. Fanamarinam-ponenan’ny mpangataka (certificat de résidence).

MAIMAIMPOANA VE NY FAMPIDIRANA NY FANGATAHANA ENY AMIN’NY FITSARANA ?
Tsy misy vola aloa fa maimaimpoana

NY PAIK’ADY ARAHINA SY NY FOTOAM-PITSARANA
· Ampidirina eny amin’ny lehiben’ny mpiraki-
draharaham-pitsarana ireo antontan-taratasin’ady rehetra voalaza teo ambony ireo,
· Ny mpangataka na izay misolo tena azy (raha toa ka tsy ampy taona izy) dia tsy maintsy miseho eo anoloan’ny fitsarana miaraka amin’ny vavolombelona roa feno 21 taona,
· Afaka mandray izay fepetra rehetra hitany fa ilaina amin’ny famotorana izay ataony ny fitsarana toy ny fanaovana fanadihadiana, fametrahana peta-drindrina …
· Ny porofo rehetra tonga eo am-pelatanany no hitsaran’ny Fitsarana,
· Izay olona rehetra manamarina ny fisian’ny tombontsoany avy amin’ilay fangatahana fanavaozana ihany koa dia afaka mangataka hitsofoka amin’ilay raharaha ary mitondra izay rehetra porofo eo am-pelatanany.

AORIAN’NY FOTOAM-PITSARANA na NY DIDIN’NY FILOHAN’NY FITSARANA:
· Entina any amin’ny Kaominina izay nitahiry ilay rejisitra ilay didim-pitsarana raikitra (grosse),
· Soratana ao amin’ny rejisitra voatondro ny ventin’ilay didy miampy izay soratra an-tsisiny,
· Afaka mamoaka ilay sora-piankohonana vita fanavaozana amin’izay avy eo ilay Kaominina.

Brochure