Posted in Autres Evenements

Atrikasa notontosaina tao @ LIVE HOTEL.

⚖ Atrikasa notontosaina tao @ LIVE HOTEL mahakasika ny Fanehoana an-tsaritany ireo risika amin’ny kolikoly mifandraika amin’ny rafi-pitantanana eo anivon’ny Fonjaben’Antanimora (Cartographie des risques relatifs au système de gestion de la Maison Centrale d’Antanimora). Natrehin’ireo mpisehatra rehetra teto anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana sy ny Birao Mahaleotena Iadiana amin’ny Kolikoly (BIANCO).

Posted in Annonces et Informations

Vaovao ENMG.

⭕ Manoloana ny vaovao mahakasika ny fifaninanana hidirana ho Mpitsara eo anivon’ny Sekolim-pirenena Mpanofana ho Mpitsara sy Mpirakidraharaha (ENMG) etsy Tsaralalàna dia nitondra fanazavana misimisy ny Talé Jeneralin’ny Sekoly,A/toa RAMAROLAHIHAINGONIRAINY Anthony.

✅ Niaraka tamin’ny solotena avy ao amin’ny Ministeran’ny Fitsarana, ny BIANCO, ny vaditany « Huissier » ary solotena avy ao amin’ny Ministeran’ny Asa « Ministère de Travail de l’Emploi de la fonction Publique et des Lois Sociales »
➡ Teboka roa no nitrondrany fanazavana tao:
1. Mahakasika ny resabe milaza fa « Fuite de sujet » no niseho izay nitondrany fanazavana tsara fa hala-tahaka na « Fraude caractérisée » no hita sy nitondrana porofo ;
2. Ny momba ilay laza-adina diso tsipelina sy ny fanazavana ny vahaolana manoloana izany.
🎥🎤 Entina aminao ny fanazavana nataon’ny Tale Jeneralin’ny Sekolim-pirenena Mpampiofana ho Mpitsara sy Mpirakidraharaha, A/­toa RAMAROLAHIHAINGONIRAINY­ Anthony.

Posted in Autres Evenements

FAHAVAKISAN’NY FONJAN’IKONGO.

📌 Tonga namaky ny fefin’ny fonjan’Ikongo vita amin’ny fanitso ireo andian’olona mpikomy, ka nanery ireo voafonja hivoaka ny toeran nitazonana azy ireo.
Tsy nisy ny fanoherana nataon’ireo mpiandry fonja araka ny toro-marika azon’izy ireo.
✔️ Marihina fa fonja vonjimaika izay natao tamin’ny fefy fanitso no nisy azy ireo, noho ny faharavan’ny fonjabe nandritra ny rivodoza Batsiray. Ary tsy nisy voafonja nitsoaka tao anatin’izay fotoana izay na dia efa nafindra in-telo aza izy ireo, noho ny fandraisana andraikitra nataon’ireo mpandraharahan’ny fonja.
🔷 Efa manomboka miverina tsikelikely eny anivon’ny fonja vonjimaika nitazonana azy sy ny tomponandraikitra ireo voafonja amin’izao fotoana izao, ary manomboka milamina ny toe-draharaha any an-toerana.
✈️ Nidina ifotony any Ikongo A/toa RAKOTOZAFY François, Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana.

📷 Sary fanehoana ny fonja rava sy ny Fonja vonjimaika nitazonana ireo voafonja talohan’ny fahavakisana.

Posted in Autres Evenements

Fananganantsaina teny amin’ny Fonjaben’Antanimora.

Notarihan’ny Mpitahiry ny tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana A/toaRAKOTOZAFY FRANÇOIS.
Nandritra ny fandraisam-pitenenany no nanambarany ny tokony haha-mailo hatrany ny rehetra amin’ny asa indrindra ireo mpiandry fonja, fa ny ratsy tsy kely lalana.

Posted in Autres Evenements

Fanambarana ENMG.

📌Nifarana anio 26 Aogositra 2022 ny fifaninana hidirana ho Mpitsara eo anivon’ny Sekolim-pirenena Mpampiofana ho Mpitsara sy Mpirakidraharaha (ENMG).

➡ Eo anatrehan’ireo vaovao maro samihafa miely dia mitondra fanazavana sy fanamarinana ny Tale Jeneralin’ny Sekoly, A/­toa RAMAROLAHIHAINGONIRAINY­ Anthony:
Voalohany mahakasika ilay mpianatra tratra dia nitondra “fiche” nangalana tahaka izy fa tsy nisy ny “fuite de sujet” akory, faharoa dia ny resaka sary laza-adina niparitaka tao anaty tamban-jotran-tseras­era, dia tao aorinan’ny fizarana ny laza-adina nandritra ny fanadinana no nisy namoaka, ary fahatelo farany, dia manamafy A/toa Tale Jeneraly fa ny laza-adina dia ny andro hanaovana ny fanadinana iny ihany no atao ny hakitsapaka ary izay vao hatonta “imprimena”, ka tsy misy na iza na iza mahafantatra izay ao ka izay no tsy nahalalàna ilay diso tsipelina.
Samihafa ny tompon’andraikitra eo amin’ny fikarakarana ny fanadinana; ao ny mpiandraikitra ny fanaraha-maso sy ny fizotran’ny fanadinana etsy ankilany, ary kosa ireo mpanara-maso ny fanomanana ny laza-adina etsy andaniny.

🎥🎤 Entina aminao ny fanazavana nataon’ny Tale Jeneralin’ny Sekolim-pirenena Mpampiofana ho Mpitsara sy Mpirakidraharaha, A/­toa RAMAROLAHIHAINGONIRAINY­ Anthony.