Prescription acquisitive

FIZAKAN-TANY NOHO NY FANAMAINTISA-MOLALY NANDRITRA NY 20 TAONA

LALANA MIFEHY
Ny andininy faha-82 amin’ny Didy Hitsivolana laharana faha 60-146 tamin’ny 03 Oktobra 1960 momba ny fananan-tany.

IREO FEPETRA TAKIANA AMIN’NY FANGATAHANA
Momba ny mpangataka:
– Manana ny zom-pirenena malagasy
– Tsy manana fifamatorana amin’ny tompon-tany voasoratra (lien de droit), izany hoe : tsy mpanofa ilay tany, tsy mpiasa, tsy mpandova, tsy nanao fifampiraharahana ary koa tsy tokony ho tompon-tany miombona (coproprietaire).
– Nanao fanajariana ny tany tena marina, tsy nisy mpanelingelina, hita nisongadina ary naharitra ka ilay fanajariana izay natao dia tokony hifanaraka amin’ilay fampiasana ilay tany.

Momba ny tany :
– Ny tany anaovana fizakan-tany dia :
• vita kadasitra (terrain cadastré) na
• vita titra ( terrain immatriculé)

> Marihina fa ny tany misoratra amin’ny fanjakana Malagasy sy ny Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana (oh:Kaominina) dia tsy azo anaovana fangatahana fizakan-tany velively.

Momba ny fanamaintisa-molaly :
Nitoetra teo amin’ny tany :
– naharitra sy nitohy izany hoe nandritra ny 20 taona,
– tsy nisy mpanelingelina ary nitondra tena toy ny tompon’ilay tany,
– nanao fanorenana raha tany eny ambonivohitra ary fambolena raha tany eny ambanivohitra.

PAIK’ADY
DINGANA VOALOHANY :
– Fangatahana alefa any amin’ny Filohan’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany misy ny tany, mba hanendry ny vaomiera hanao ny fitsirihana.

Ireo antontan-taratasy ampiarahana amin’ny fangatahana
• Rosia nandoavana ny vola fanao an-tratra mitentina dimy arivo Ariary (5000 Ar) tany amin’ny Lehiben’ny Mpirakidraharahan’ny Fitsarana;
• Sarin’ilay tany angatahina (plan);
• Taratasy fanamarinana ny fananan-tany (Certificat de situation juridique);
• Kopian’ny kara-panondro vita fanamarinana na légalisé ;
• Taratasy fanamarinana ny fizakana zom-pirenena Malagasy;
• Taratasy fanamarinam-ponenan’ilay mpangataka.

Momba ny fitsirihana
-Atao peta-drindrina ilay fangatahana
-Antsoina avokoa ny manodidina rehetra mba hisian’ny mangarahara.
-Mijery ifotony ny fanamaintisa-molaly ny vaomiera raha toa ka mifanaraka amin’ny fepetra takian’ny lalàna na tsia.
– Manao fitanana an-tsoratra momba ny fitsirihana nataony izy;

DINGANA FAHAROA :
– Manao fangatahana vaovao alefa any amin’ny Filohan’ny Fitsarana Ambaratonga voalohany misy ny tany.
– Afaka midina ifotony ny fitsarana mba hanamarinana ny fanamaintisa-molaly sy mihaino ny vavolombelona ka ny saran’izany dia iantsorohan’ny mpangataka

Ireo antontan-taratasy ampiarahana amin’ny fangatahana
• fitanana an-tsoratra momba ny fitsirihana;
• taratasy manaporofo ny fiantsoana ireo olona voalaza fa tokony hanatrika ny fitsirihana sy ny taratasy fanamarinana nanaovana ny peta-drindrina (certificat d’affichage administratif),
• taratasy fanamarinana ny fizakana ny zom-pirenena Malagasy;
• taratasy fanamarinam-ponenana;
• rosia manamarina ny fandoavana ny vola fanao an-tratra mitentina efajato sy dimy alina Ariary ny sarany (50400 Ar) tany amin’ny Lehiben’ny Mpirakidraharahan’ny Fitsarana.

Brochure