NY FAMETRAHANA EO AMBANY FANARAHA-MASO ARA-PITSARANA NY ANKIZY NANAO HELOKA.

📌 LALANA MIFEHY : andininy faha 59 ka hatramin’ny 66 ao amin’ny Lalàna 2016-018 mikasika ny fepetra sy ny paika ampiharina amin’ireo ankizy nanao heloka.

🔹 Inona no hatao hoe fanaraha-maso ara-pitsarana?
👉 fepetra azo asolo ny fitanana am-ponja vonjimaika
👉 didian’ny Mpitsara ny ankizy ho ampiarina amin’ny ankizy voampanga ho nanao fandikan-dalàna iharan’ny sazy fampidirana am-ponja.

Tsy notazomina any am-ponja noho izany ilay ankizy, saingy tsy maintsy manaja fepetra sy fandraràna.

Inona ny tombotsoa amin’ity paikady ity?

👉 amin’ny maha fepetra azo asolo ny fitanana vonjimaika dia manampy amin’ny fampihenana ny tahan’ny ankizy voatazona am-ponja vonjimaika;
👉 misoroka ny famerenan-keloka amin’ny alalan’ny fandraràna na fandraisana fepetra manokana;
👉 Manena ny tahan’ny fitsoahan’ny ankizy mahazo fahafahana vonjimaika.

🔹 Iza no afaka hapetraka eo ambany fanaraha-maso ara-pitsarana?
Ireo ankizy nanao heloka 13 ka hatramin’ny 18 taona.

🔹 Inona avy ireo karazana fandikan-dalàna azo hanaovana fanaraha-maso ara-pitsarana?
Rehefa mety ho fandikan-dalàna heloka tsotra na heloka bevava ka iharan’ny sazy fampidirana am-ponja.

🔹 Iza no afaka mandray ity fepetra ity?

Ny Mpitsara ny ankizy ao anatin’ny paikady famotorana lalina.

Fepetra na fandraràna afaka raisina :
👉 Famaliana ny fiantsoana ataon’ny manam-pahefana ara-pitsarana mahakasika ny antontan-taratasin’ady;

👉 Tsy fivoahana faritra efa voafetra mialoha;

👉 Tsy fandehanana any amin’ny toerana voafaritra na tsy fandehanana any raha tsy amin’ny fepetra sy amin’ny antony voafaritry ny Mpitsara ny ankizy;
👉 Fampahafantarana ny mpitsara ny ankizy miandraikitra ny antontan-taratasin’ady raha toa ka mivoaka ny toerana voafaritra;

👉 Fisehoana isam-banim-potoana any amin’ny kaomisarian’ny polisy, any amin’ny borigadin’ny zandarmaria, any amin’ny biraon’ny kaominina na any amin’ny fikambanana, notendren’ny Mpitsara ny ankizy, izay tsy maintsy manaja ny fitazonana ho tsiambaratelo ny antony hanenjehana ilay ankizy ;
👉 Famaliana ny fiantsoana ataon’izay rehetra fikambanana na izay rehetra olona nomem-pahefana, notendren’ny mpitsara nandray ny antontan-taratasy mba hanaraka ireo fepetra amin’ny fanaraha-maso mikasika ny fahazotoany amin’ny fianarana ary koa amin’ireo fepetra ara-tsosialy-fampianarana natao hanampiana azy amin’ny fiverenany eo amin’ny fiaraha-monina sy ho fisorohana ny famerenana ny fandikan-dalàna ;

👉 Tsy fandraisana na fihaonana manokana amin’ny olona sasantsasany izay voatondron’ny Mpitsara ny ankizy, ary koa ny tsy fifaneraserana amin’izy ireo, na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana ;

👉 Fanekena fepetra momba ny fizahana, ny fikarakarana na ny fitsaboana, eny fa hatramin’ ny fampidirana hopitaly aza, indrindra indrindra amin’ny fanalana amin’ny fidorohana. Hisy kopian’ny fanapahana momba ny fametrahana ho arahan’ny fitsarana maso alefan’ny Mpitsara ny ankizy nandray ny antontan-taratasy any amin’ny mpitsabo izay handray ilay ankizy.

📌 TSARA MARIHINA :

👉 Ny lisitr’ireo fepetra na fandraràna voatondro ao amin’ny Lalàna 2016 dia tsy feno.

👉 Afaka manampy fepetra ivelan’ireo.
👉 Ny fepetra na fandrarana dia afaka ovain’ny mpitsara amin’ny fotoana rehetra
👉 Afaka ihany koa izy mamela indraindray na tsy maharitra ny tsy hanantanterahana ny fepetra sasantsasany amin’ireo.

🔹 Inona no mitranga raha minia tsy manaja ka mandositra an-tsitrapo ireo fepetra na fandraràna voalaza ireo ?
Ny Mpitsara ny ankizy dia afaka manapa-kevitra araka izay miseho ka manova izany ho:

👉 fepetra fahafahana arahi-maso

👉 fametrahana azy any amin’ny toby fanarenana

👉 famoahana didy fampisaborana na fampidirana am-ponja azy

NB: Ny faharetan’ny fanaraha-maso ara-pitsarana dia tsy hisaina ao anatin’ny fitanana vonjimaika.

Faharetan’ny fe-potoana hametrahana ny ankizy eo ambany fanaraha-maso ara-pitsarana:

Arakarakin’ny fahitan’ny Mpitsara ny raharaha nefa kosa tsy mihoatra ny enina (6) volana.

Fampitsaharana ny fepetra

Azon’ny Mpitsara ny ankizy atao amin’ny fotoana rehetra na:

👉 avy hatrany ;

👉 ao aorian’ny takian’ny Mpampanoa ;

👉 noho ny fangatahan’ilay ankizy na izay olona tompon’andraikitra aminy , aorian’ny fanehoan-kevitry ny Mpampanoa.

Mamoaka didy ao anatin’ny fe-potoana 5 andro ny Mpitsara ny ankizy.
Ny didy fampitsaharana dia tsy azo hanaovana fampakarana.

Télécharger la brochure