Contribution aux charges du ménage

NY FANDRAISANA ANJARA AMIN’NY FANDANIANA AO AN-TOKANTRANO

IZA NO TOKONY HANDRAY ANJARA AMIN’NY FANDANIANA AO AN-TOKANTRANO ?
– Ny mpivady dia tsy maintsy miara-mandray anjara amin’ny fandaniana ao an-tokantrano ;
– Koa raha tsy manao ny adidiny ny iray amin’izy ireo, dia azon’ny andaniny atao ny mangataka ny Fitsarana handidy ny handoavan’ny ankilany ny anjarany ara-bola hikarakarana ny tokantrano sy ny anaran’ny zanak’izy ireo.

INONA NO FEPETRA TAKIAN’NY LALANA AHAFAHANA MANGATAKA IZANY ?
Tsy maintsy mpivady vita soratra ara-panjakana ary tsy mbola an-dàlam-pisaraham-panambadiana

FITSARANA MAHEFA :
Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao amin’ ny toeram-ponenan’ny mpivady

INONA AVY IREO TARATASY ILAINA ?
– Taratasy fangatahana alefa amin’ny Lehiben’ny Fitsarana, misy ny adiresy mazavan’ny mpangataka sy ny toriana ary mamaritra mamazava tsara ny vola angatahana,
– Ny sora-panambadiana,
– Ny sora-pahaterahan’ny zanaka,
– Ny taratasy fanamarinana ny vola miditra amin’ireo mpivady (oh : fanamarinan-karama),
– Ny taratasy rehetra manamarina ny fandaniana ao an-tokantrano (oh : rosia nandoavana ny sarampianaran’ny zaza, ny sakafo…)

AVANTANA AMIN’IZA ARY IREO REHETRA IREO ?
Amin’ny Lehiben’ny mpirakidraharaham-pitsarana

SARAN’NY FAMPIDIRANA NY FANGATAHANA ENY AMIN’NY FITSARANA
Enina arivo sy roa alina Ariary (26.000 Ar)
Izay aloa ao amin’ny lehiben’ny mpirakidraharam-pitsarana ka manome rosia nandoavana izany

NY PAIK’ADY :
– Mahazo fiantsoana hiatrika fitsarana ny mpivady ary izy ireo irery ihany no manatrika izany fa tsy soloina tena,
– Didim-pitsarana mivoaka ampahibemaso no mametra ny fandraisana anjara amin’ny fandaniana ao an-tokantrano aloan’ilay toriana amin’ny ankilany ary izany didy izany dia tanterahina avy hatrany na dia nanao fampakàrana Fitsarana Ambony aza izy.

MBOLA AZO ANGATAHANA FAMPIAKARANA NA FAMPIDINANA VE NY MARI-BOLA VOAFARITRA AO ANATY DIDY ?
Eny, raha toa ka misy fiovana eo amin’ny fidiram-bolan’ny mpivady na ny filàn’ireo zanany (oh : fiakaran’ny fandaniana, fiovana asa ka niteraka fihenan’ny karama…)

ARY AZON’ILAY NOTORIANA ATAO IHANY KOA VE NY MANGATAKA NY HAMPITSAHARANA MIHITSY NY FANDOAVANA IZANY?
Eny, raha toa ka misy ny fampidirana fangatahana fisaraham-panambadiana

Brochure