PUBLICATIONS RECENTES

Posted in Actualités

FITSARANA MISAHANA NY ADY ATAO AMIN’NY FANJAKANA.

FITSARANA MISAHANA NY ADY ATAO AMIN’NY FANJAKANA: MANAO FIKAONANDOHA. MANDRAY ANJARA NY MPITAHIRY NY TOMBOKASEM-PANJAKANA, MINISITRY NY FITSARANA.

📌Alarobia 27 Septambra 2023, eto Toamasina no hanatanterahana ny fikaonandohan’ny Mpitsara misahana ny ady atao amin’ny Fanjakana manerana an’i Madagasikara. Lohahevitra telo no ho kirakiraina, hifampizarana traikefa ary hanaovana adihevitra. Isan’izany ny mikasika ny fifidianana eny anivon’ny vondrombahoaka hitsinjaram-pahefana, izay andraikitry ny Fitsarana misahana ny ady hifanaovana amin’ny Fanjakana.

➡Voalohany no nisian’ity fikaonandoha ity, izay notohanan’ny Minisiteran’ny Fitsarana sy ny PNUD, tafiditra ao anatin’ny fanatsarana ny fitantanan-draharaha eo anivon’ny Fitsarana raha ny nambaran’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana. Nambarany fa betsaka ny fanavaozana tokony ho tanterahina, na eo amin’ny fomba fiasa, na eo amin’ny famoahana didy sy fampiharana ny lalàna. Matetika mantsy no tsy mitovy ny didy mivoaka amin’ny tranga mitovy, antony maha-zavadehibe ny fikaonandoha toy izao.

⭕Telo andro no faharetan’ny fikaonandoha eto Toamasina ka hisy ny varavarana misokatra ho an’ny Vahoaka, hampahafantarina ny adidy sy andraikitry ny Fitsarana misahana ny ady hifanaovana amin’ny Fanjakana.

Posted in Autres Evenements

FANAPARIAHANA LALÀNA.

FANAPARIAHANA LALÀNA : NY VAHOAKAN’NY « ILAKA EST » INDRAY NO NISITRAKA IZANY.
Alarobia 27 septambra 2023, ny andro faharoa dia tao amin’ny mponina ao amin’ny « Commune rurale » an’ILAKA EST ao anatin’ny Distrikan’ny Vatomandry indray no nitohy ny fidinana ifotony amin’ny hetsika fanapariahana ny lalàna.

✅ Nanohana ny hetsika ny PAJMA.

Posted in Autres Evenements

FANAPARIAHANA LALÀNA.

FANAPARIAHANA LALANA : NY DISTRIKAN’NY VATOMANDRY INDRAY NO NISITRAKA IZANY.

Talata 26 septambra 2023, ny Distrikan’ny Vatomandry indray no nitodihan’ny hetsika fanapariahana lalàna nataon’ny Minisiteran’ny Fitsarana.

Fidinana hifotony ataon’ny Minisitera amin’ny alalan’ireo solotena avy ao amin’ny fitaleavana misahana ny fanapariahana lalàna miaraka amin’ny solotena avy amin’ny fitaleavana misahana ny Zon’olombelona.

Tanjona amin’izao hetsika izao hatrany moa ny hanatratrarana ny « Fitsarana manakaiky vahoaka », ka ireo Ben’ny tanàna sy ireo lefiny avy ary ireo Mpitan-tsoratry ny fiankohonana amin’ny Distrikan’ny Vatomandry no nisitraka izany ny andro voalohany. Mazava ny lohahevitra fa dia nahakasika ny fiankohonana sy ny atao hoe  » Actes des Maires » ary teo ihany koa ny lalàna nasiam- panovana.

Tonga nanome voninahitra ny fotoana ny Lehiben’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany sy ny Mpampanoa lalàna eto Vatomandry ary ny Lehiben’ny Distrikan’ny Vatomandry.

Ny andro faharoa, ny alarobia 27 septambra 2023, dia anjaran’ny vahoaka aoambanivohitry ILAKA EST amin’ny Distrikan’ny Vatomandry ny fanapariahana lalàna.

✅ Nanohana ny hetsika ny PAJMA.

Posted in Actualités

FITSARANA MOMBAN’NY FITANTANAM-BOLA.

⚖FITSARANA MOMBAN’NY FITANTANAM-BOLA: NAPETRAKA NY FILOHA SY NY TONIA MPAMPANOA LALANA

📌Alakamisy 21 Septambra 2023; napetraka tamin’ny toerany ny Filohan’ny Fitsarana momban’ny Fitantanam-bola eto Antananarivo, Andriamatoa RANDRIANANTENAINA Solofotiana sy ny Tonia mpampanao lalàna eo anivon’izany fitsarana izany, Ramatoa RAJAONA Andriamihaja.

➡Fampiharana ny Fitsarana manakaiky vahoaka, politikam-pitantanana napetraky ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana no paikady ho entin’izy ireo manavao ny fomba fiasa eo anivon’ny Fitsarana momban’ny fitantanam-bola. Noho izany dia hatao matetika ny fidinana ifotony, hitondrana fanofanana mikasika ny asan’ny Fitsarana ara–bola, ho adika amin’ny teny Malagasy ny didy raikitra , ho hampafantarina ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana sy ireo sazy raha misy fandikan-dalàna, hiady amin’ny fanodikondinam-bolam-panjakana ary ho hentitra izy ireo.

⭐Nanome voninahitra ny fotoana ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.

————————

⚖TRIBUNAL FINANCIER: INSTALLATION DU PRESIDENT ET DU COMMISSAIRE FINANCIER

📌Jeudi 21 septembre 2023, le Président du Tribunal Financier d’Antananarivo a été installé aujourd’hui,
il s’agit de Monsieur RANDRIANANTENAINA Solofotiana, ainsi que le Commissaire Financier, Madame RAJAONA Andriamihaja.

⭐Le garde des Sceaux Ministre de la justice a rehaussé de sa présence lors de cette cérémonie
d’installation.

🎥 Manasa antsika hanaraka izany manontolo.

Posted in Autres Evenements

FANAPARIAHANA LALANA.

⚖FANAPARIAHANA LALANA: MARO IREO NISITRAKA IZANY TETO AMBANIVOHITRY ALAKAMISY FENOARIVO .

📌Alarobia 20 septambra 2023, nanao hetsika fanapariahana lalàna teto Ambanivohitry Alakamisy Fenoarivo ny avy eto amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana mba hanatrarana hatrany ny tanjona « Fitsarana manakaiky vahoaka ». Nidina ifotony tamin’izany ny solotena avy ao amin’ny fitaleavana misahana ny fanapariahana lalàna niaraka tamin’ny solotena avy amin’ny fitaleavana misahana ny Zon’olombelona.
Izany dia fampahafantarana an’ireo lalàna vaovao na lalàna nasiam-panovana.

⭕Lohahevitra samihafa no nentina tamin’ izany : ny momban’ny fiankohonana, fanambadiana, fiarovana ny zon’ny ankizy sy ny vehivavy ary fiarovana ny zo fananan-tany.

✅Nanohana ny hetsika ny PAJMA.

———————————-

⚖ VULGARISATION DES LOIS : Nombreux bénéficiaires dans la commune urbaine Alakamisy Fenoarivo

📌Mercredi 20 septembre 2023, afin d’effectuer le projet « une justice plus proche des citoyens et accessible à tous », le Ministère de la Justice a procédé à une séance de vulgarisation de loi dans la commune urbaine d’Alakamisy Fenoarivo. Des représentants de la DERL et de la DDHRI ont participé à la descente sur le lieu, dans le but de communiquer aux villageois, les nouvelles lois, ainsi que de leurs informer des rectifications récemment effectuées sur certains textes.

⭕Les thèmes entamés été diverses, tels que : l’État civil, le régime matrimonial, le droit des enfants et des femmes, mais aussi le droit sur la propriété foncière.

✅Activité soutenue par le PAJMA.