SEKOLIM-PIRENENA MPANOFANA HO MPANDRAHARAHAN’ NY FONJA (ENAP).

🔷FITSINJOVANA NY FAHASALAMANA.

📌Ny zoma 23 Septambra 2022 dia nanolo-tànana ny Sekolim-pirenena Mpanofana ho Mpandraharahan’ ny Fonja na “Ecole Nationale de l’Administration Pénitentiaire” ao Antetezambaro Toamasina II ny banky BOA Madagascar ka nanome fitaovam- pitsaboana sy fitaovam- piasana hoentina hampiodinana sy hanokafana toeram- pitsaboana vaovao.
➡ Tanjona apetraky ny ENAP ny fanatsarana hatrany ny fampiofanana. Vatana salama sy tomady anefa no afaka manaraka izany. Ka nametraka tanjona ny sekoly ny amin’ ny hanorenana toeram- pitsaboana hanarahana maso ny fahasalaman’ ny mpianatra sy ny mpampiofana raha sanatria tojo tsy fahasalamana. Ny ENAP rahateo miorina 17 km miala an’ i Toamasina I.

🔴 Mitentina 15 818 354 Ariary izany fitaovana izany ary tonga nanolotra izany an’ Atoa Tale Jeneralin’ ny ENAP, IAPC RAZAFINTSALAMA Désiré sy ny mpiara-miasa aminy ireo tompon’ andraikitra avy ao amin’ny BOA Toamasina.

⭕Nisaotra azy ireo tamin’ny anaran’ ny Ministeran’ny Fitsarana ny Tale Jeneralin’ ny ENAP. Antenaina fa hanamora ny fandraisana an- tanana ny fitsaboana ny mpiofana ao amin’ny ENAP izany rehetra izany.