Mois : octobre 2022
Fananganan-tsaina.
🇲🇬⚖ Fananganan-tsaina natao teny amin’ny Fonjaben’Antanimora.
Notarihan’ny Mpitahiry ny Tomboksem-panjakana Ministry ny Fitsarana, Atoa RAKOTOZAFY François, ary natrehin’ireo mpiara-miasa aminy akaiky.


























FONJABEN’NY MIARINARIVO.
📌 Lanonana fitokanana foto-drafitr’asa vita teto amin’ny Fonjaben’ny Miarinarivo (Maison Centrale) niarahana tamin’ny Tale Jeneralin’ny Fandraharahana ny Fonja Andriamatoa RANDRIANANDRASANA Désiré, izay nisolotena ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana sy ireo mpiara-dia aminy ary ny Mpiara-miombon’antoka Fikambanana « Ancre du Salut » teto Miarinarivo.
Notronin’ireo Manam-pahefana isan-tsokajiny teo an-toerana; Ny Sekretera Jeneralin’ny Governoram-paritra ary ny solotena avy amin’ny « Consulat de l’Ambassade des Etat Unies ».
✔️ Fanavaozana ny Biraon’ny Lehiben’ny Fonja sy ny mpiara-miasa aminy (Greffes) ;
✔️ Fanamboarana ny trano fidiovana sy ny toerana fanasan-damba ho an’ireo voafonja ;
✔️ Fananganana ny trano vaovao mahazaka voafonja 100 izay mbola eo am-pamaranana ny asa ;
✔️ Fandokoana ny tambohon’ny fonja.
⭕ Ho mariky ny fankasitrahana azy ireo dia notolorana mari-pankasitrahana avy amin’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana Andriamatoa RAKOTOZAFY François ny Filoha Mpitantana ny Fikambanana « Ancre du Salut ».






























Fitsidihana ara-pomba fanajana.
📌 Fitsidihana ara-pomba fanajana nataon’ny solontenan’ny Haut Commissariat des Nations Unies pour les Réfugiés (#UNHCR) R/toa Monique Ekoko sy A/toa Jesùs Pérez Sànchez tao amin’ny biraon’A/toa RAKOTOZAFY François, Mpitahiry ny Tombokasem-pajankana, Minisitry ny Fitsarana, teto Faravohitra.
#MINJUS#UNHCR.














ENMG.
Eo anatrehan’ny fanomanana ny adina am-bava (Oral) amin’ny fifaninanana hidirana mpianatra ho Mpitsara eto amin’ny Sekolim-pirenena Mampiofana ho Mpitsara sy Mpirakidraharaha (ENMG), dia nanome toromarika sy niresaka mahakasika teboka vitsivitsy ny Tale Jeneralin’ny Sekolim-pirenena Andriamatoa RAMAROLAHIHAINGONIRAINY Anthony :
⭕ Aoka tsy ho azon’ny fakam-panahy hijoboka hanao kolikoly, fa madio sy mangarahara
ny fifaninanana.
⭕ Tsy vitan’ny sekoly sy ny Tale Jeneraly irery anefa ny ady amin’ny kolikoly
fa mila ny fandraisan’andraikitra sy fifanampiana avy amintsika tsirairay ;
satria izay tsy manao kolikoly dia efa miady amin’ny kolikoly. Ary aoka tsy hohadinoina fa henjehin’ny lalàna velona na ny mpanome na ny mpandray izany ;
⭕ Manome toky ny sekoly, ary miezaka amin’ny fomba rehetra mba hadio sy hangarahara
ny fifaninanana rehetra ;
⭕ Mba hisian’ny fifampitokisana, dia teratany vahiny na « Cabinet international » no manara-maso sy mikirakira ny solosaina mahakasika ny naoty rehetra, ary hatrehin’ny tompon’andraikitra mahefa isan-tsokajiny izany ;
⭕ Ary notsindriany manokana fa ny tsy fahafahan’ny mpiadina iray mahay tsy midika fa nisy ny kolikoly, fa amin’ny maha fifaninanana azy dia izay tena ambony ny naoty no afaka ; indrindra efa taona maromaro ihany no tsy nisy ny fifaninanana ka zava-dehibe ny fanomanana.
🎥 Entina aminao manontolo ny fanazavana nentin’ny Tale Jeneralin’ny Sekolim-pirenena Mampiofana ho Mpitsara sy Mpirakidraharaha,
Andriamatoa RAMAROLAHIHAINGONIRAINY Anthony.
Fitsidihana ara-pomba fanajana.
FITSIDIHINA ARA-POMBA FANAJANA NATAON’NY MASOIVOHON’NY FRANTSA VAOVAO ETO MADAGASIKARA.












Nisongadina tamin’ny resak’izy ireo ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta amin’ny alalan’ireo tetikasa maro hiarahana.