Divorce

NY FISARAHAM-PANAMBADIANA

LALANA MIFEHY
Lalàna laharana faha 2007-022 tamin’ny 20 Aogositra 2007 mikasika ny fanambadiana sy ny fitondrana ny fananan’ny mpivady.

IREO ANTONY HANEKENA NY FISARAHAM-PANAMBADIANA?
– Tsy fahazakana intsony ny fiaraha-monin’ny mpivady;
– Tsy fanatanterahan’iray amin’ireo mpivady ny andraikitra sy ny adidiny avy amin’ny fanambadiana (ny firaisa-monin’ny mpivady, ny fifanampiana, ny fifamonjena, ny fifampitokisana sy ny fifanajana);
– Fijangajangana;
– Fanasaziana ny iray amin’ireo mpivady noho ny heloka bevava.
Ireo antony rehetra ireo dia arahana porofo mazava.

FITSARANA MAHEFA
Fitsarana mikasika ny ady madio :
– misy ny toeram-ponenan’ireo mpivady
– na misy ny toeram-ponenan’ny toriana na ny toerana nonenany farany.

> Fanamarihana: Ho an’ny vehivavy misintaka, ny fitsarana misy ny toerana honenany mandritra ny fisintahany no mahefa

PAIK’ADY
– Fangatahana alefa any amin’ny Filohan’ny Fitsarana Ambaratonga voalohany na manao fampiantsoana ny andaniny hiseho fitsarana.
– Aterina ao amin’ny Lehiben’ny Mpirakidraharahan’ny Fitsarana Ambaratonga voalohany ireo antontan-taratasy rehetra ilaina amin’izany miaraka amin’ny vola fanao an-tratra.

Dingana voalohany : Fampihavanana (conciliation)
– Fisehoana am-batana ny andaniny sy ny ankilany eo anatrehan’ny Fitsarana (tsy azo soloina tena).
– Manao fampihavanana ny mpitsara ary mihaino ny roa tonta:
• Raha toa ka mihavana ireo mpivady, mitsahatra avy hatrany ny paik’ady.
• Afaka manome fe-potoana tsy mihoatran’ny enim-bolana ho an’ireo mpivady koa ny mpitsara hieritreretan’izy ireo. Raha tapitra io fe-potoana io ka raha mbola te hanohy ny paik’ady ny mpangataka fisaraham-panambadiana dia
mangataka fitohizan’ny paik’ady indray izy.
• Raha toa ka tsy mihavana ireo mpivady, mamoaka didy mirakitra ny tsy fihavanana (Ordonnance de non conciliation) ny mpitsara ary mitohy ny paik’ady momba ny fangatahana fisaraham-panambadiana.

Dingana faharoa : Fanatrehana ny fotoam-pitsarana
– Mifanakalo fehin-teny ny andaniny sy ny ankilany
– Tononina sy avoaka ampahibemaso ny didy momba ny fisaraham-panambadiana ary didiana ihany koa ny fizaram-pananana eo amin’ny mpiady roa tonta araka ny sata mifehy ny fananan’izy ireo

IREO ANTONTAN-TARATASY ILAINA AMIN’NY FANGATAHANA
– Fangatahana omban’antony
– Kopian’ ny bokim-pianakaviana na sora-panambadiana
– Sora-pahaterahan’ny zaza iombonana (acte de naissance)
– Taratasy manaporofo ny fahadisoan’iray amin’ny mpivady (oh: taratasy fitanana an-tsoratra ny fijangajangan’iray amin’ireo mpivady, taratasy fanamarinana avy any amin’ny mpitsabo, sns…)
– Rosia manamarina ny nandoavana ny vola fanao an-tratra mitentina roan-jato sy valo arivo sy efatr’alina Ariary (48.200 Ar) tao amin’ny Lehiben’ny Mpirakidraharahan’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany.

Fanamarihana: Ho entina eny amin’ny Kaominina nanaovana ny fisoratam-panambadiana ny didim- pitsarana raikitra rehefa mivoaka, mba hanaovana ny soratra an-tsisiny.

Brochure