Posted in Actualités

FANOKAFANA AMIN’NY FOMBA OFISIALY NY HETSIKA FANOMEZANA KOPIA SY KARA-PANONDRO MAIMAIMPOANA.

📌Mendrika ho olom-pirenena ny vahoaka Malagasy rehetra ka tokony hanana sora-pahaterahana sy kara-panondroMpirenena avokoa.

➡ Maro ireo mbola tsy manana izany eto amin’ny fierenena ka izany no nahatonga ny governementa amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fitsarana sy ny Ministeran’ny Ati-tany sy Fitsinjarampahefana nanao izao hetsika izao. « Guichet unique » izay afaka hahazoana ny « Kopia sora-pahaterahana » sy/na “kara-panondrom-pirenena” eo noho eo ary maimaimpoana no natao teto amin’ny lapan’ny tanànan’ny Manakara anio 01 Septembra 2022.

⭕ Fanokafana amin’ny fomba ofisialy ihany no teto Manakara fa ny hetsika dia manerana ny lafivalon’ny Nosy. 3.000 000 (telo tapitrisa) eo no eritreretina ho isan’ny olona mbola tsy manana taratasy maha-olom-panjakana azy eto Madagasikara, ka izay no tena nampirisika ny fitondram-panjakana anao izao hetsika izao ary ezahina ho atao ao anatin’ny efa-bolana izany.

❌Sakana eo amin’ny fiainana ny tsy fananana taratasy maha-olompirenena, ary mahavery Zo, anisan’izany ny tsy fahafana mifidy. Ka manentana ny olona rehetra ary mba hahazoan’ny vahoaka Malagasy rehetra ny « sora-pahaterahany » na ny « kara-panondrony » .

🎤🎥 Entina aminao ny lahatenin’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana, A/toa RAKOTOZAFY François nandritra ny lanonam-panokafana.