Les Violences Basées sur le Genre

NY HERISETRA MIFOTOTRA AMIN’NY MAHA-LAHY NA MAHA-VAVY
(Les Violences Basées sur le Genre)

LALANA MIFEHY
Lalàna laharana faha 2019-008 tamin’ny 16 janoary 2020 mikasika ny ady atao amin’ny Herisetra mifototra amin’ny Maha-lahy na Maha-vavy

INONA NO ATAO HOE « MAHA-LAHY NA MAHA-VAVY »?
Ireo anjara asa, fitondran-tena, asa sahanina sy ireo toetra manokana izay faritan’ny fiaraha-monina, amin’ny fotoana voatendry fa sahaza ho an’ny lehilahy na ho an’ny vehivavy

INONA NO ATAO HOE “HERISETRA MIFOTOTRA AMIN’NY MAHA-LAHY NA MAHA-VAVY”
Ireo herisetra rehetra ampiharina amina olona iray noho ny maha-lahy na maha-vavy azy , ary mitarika na mety hitarika fahavoazana na fijaliana ara-batana , ara-pananahana na ara-tsaina, na izany eo amin’ny lafim-piainany imasom-bahoaka na amin’ny eo amin’ny lafim-piainany manokana.

IREO KARAZANA HERISETRA SAZIAN’NY LALANA
Ny Herisetra ara-batana, ara-pananahana, ara-tsaina, ara-pihariana atao eo amin’ny sehatry ny fianakaviana sy eo anivon’ny fiaraha-monina:
– ny fanararaotana ara-nofo atao amin’ny ankizy,
– ny fikatsahana na fanaovana firaisana ara-nofo nisiana fanerena na fandrahonana amin’ny vady (vita soratra na tsia),
– ny fanamombana an-keriny (stérilisation forcée),
– ny fomba amam-panao nentim-paharazana mampidi-doza amin’ny lahy sy ny vavy,
– ny herisetra ao an-tokantrano amin’ny mpivady, na olona miombom-piainana aminy (oh: ny vono,sns…),
– ny fanerena sy ny faneràna olona hivaro-tena
– ireo hetsika fampitahorana, fandrahonana hamaly faty na valifaty atao amin’ny olona niharana herisetra;
– izay fihetsika rehetra natao hanakanana olona iray tsy hisitraka ny fahalalana fototra sy/na manakana azy tsy hifandray amin’ny tontolo manodidina (oh: tsy famelana ilay olona hiasa na hifanerasera amin’ny havany);
– izay rehetra faniratsirana ,teny avoaka na fihetsika atao maka endrika fanavakavahana mifototra amin’ny maha-lahy na maha-vavy atao amin’ny olona iray ka mitera-pahavoazana ho azy (oh: fanambaniana na fanaovana fihetsika na teny
manafintohina).
– Ny fanakanana na famerana ny fahafahan’ny vadiny (vady vita soratra na tsia),tsy hisitraka ireo zony mifandraika
amin’ny fihariana ara-bola (oh:tsy famelana hisitraka ny karamany na mitantana ny vola ao an-tokantranony).

Marihina fa tsy ireo ihany ny karazana herisetra fa mety misy koa any anaty Fehezan-dalàna famaizana.

MOMBA NY FAMPAHAFANTARANA TRANGA MIKASIKA NY HERISETRA (SIGNALEMENT)
– Tokony manao fampahafantarana am-bava na an-tsoratra any amin’ny manam-pahefana ara-panjakana na ara-pitsarana mahefa ny olona rehetra, izay mahalala ny fisian’izany.
Marihina fa maha-voasazy ny tsy fanaovana fampahafantarana araka ny andininy faha-62 andalana voalohany ao amin’ny
Fehezan-dalàna famaizana (sazy iray volana ka hatramin’ny telo taona an-tranomaizina sy lamandy 72000 Ar ka hatramin’ny 4 500 000 Ar, na ny iray amin’ireo sazy voalaza ireo)
– Afaka mitazona ny tsiambaratelo momba azy ny mpanao fampahafantarana.
– Raketina an-tsoratra izany ary alefan’ireo manam-pahefana nahavoaray azy any amin’ny mpikaroka ny Fandikan-dalàna sy/na any amin’ny Fitsarana mahefa.

PAIK’ADY ENY AMIN’NY FITSARANA MIKASIKA NY ADY HELOKA
– Afaka manao fitoriana ny niharam-boina na ny solontenany araka ny lalàna:
• eny amin’ny zandary na polisy,
• na eny amin’ny fitsarana ady heloka nisehoan’ny herisetra na misy ny toeram-ponenan’ilay toriana.
– Azon’ny mpitsara atao ny manao fitsarana tsy azon’ny rehetra atrehana arakaraka ny zava-misy.
– Fa ny didim-pitsarana kosa dia tononina sy avoaka ampahibemaso.

PAIK’ADY ENY AMIN’NY FITSARANA MIKASIKA NY ADY MADIO
Azon’ny niharam-boina atao na ny solotenany araka any lalàna ny mangataka amin’ny Mpitsara momba ny ady maika mba
hamoaka didy hamaritra ireo fepetra fiarovana azy.
Ireto avy ny fepetra vonjimaika azon’ny Fitsarana didina:
• fanomezana alalana ny niharam-boina hiala vonjimaika ny tokantranony.
• Fandrarana ilay olona voaroroy tsy hanatona ilay niharam-boina.

Fanamarihana:
> Azo anaovana fampakarana ilay didy mamaritra ireo fepetra fiarovana
> Azon’ny mpitsara ady maika atao amin’ny fotoana rehetra sy rehefa avy nakana ny hevitry ny Fampanoavana, ny mampitombo, mampihena ny sehatra isian’ny fepetra fiarovana na manafoana izany, araka ny fangatahan’ny iray amin’ny olona voakasika raha toa ka misy fisehoan-javatra vaovao.

Brochure