Posted in Annonces et Informations

FANAPARIHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA.

📌 Hamaranana ny lohehevitra mikasika ny didim-pitsarana misolo sora-pahaterahana ary dia andeha fampahatsiahivina fohy no andeha entina amintsika androany satria dia misy manafangaro foana io lohahevitra io.

⭕ Raha toa ka olona efa manana kopia (nanaovana fanambarana teo anatrehan’ny Kaominina izany ilay fahaterahany ary nomena kopia an’ilay sora-pahaterahana izy) dia tsy mila mangataka didim-pitsarana misolo sora-pahaterahana intsony izy.Fa raha sanatria kosa aty aoriana ka hoe rovitra ny bokin’ilay Kaominina ka tsy hita ao ilay soratra dia fangatahana fanavaozana ilay sora-pahaterahana no ataony eny amin’ny Fitsarana. Ary amin’izay fotoana izay dia entina ilay sora-pahaterahana eny am-pelatananao efa lany daty iny mba hohavaozina.

⭕ Raha toa kosa ka nisy diso ilay sora-pahaterahana navoakan’ny Kaominina dia tsy afaka mikitika an’iny intsony izy ireo fa tsy maintsy manao fangatahana fanitsiana eny amin’ny Fitsarana ilay tompony ary atao mazava tsara hoe inona ilay diso tao anatiny tao.

⭕ Ho an’ireo izay tara ny fe-potoana fanaovana fanambarana kosa (30 andro) ka tsy nahavita izany ara-potoana ka manjary tsy nanana kopia dia ireny olona ireny no anaovana ilay fangatahana didim-pitsarana misolo sora-pahaterahana eny amin’ny Fitsarana.

Posted in Annonces et Informations

FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARA.

📌Hamaranantsika ireo tsara ho fantatra ny mahakasika ny Didim-pitsarana misolo sora-pahafatesana na ny « Jugement supplétif de décès » dia hozaraina amintsika ireo antontan-taratasy ilaina sy ny paik’ady arahina amin’izany.

🔷 IREO ANTONTAN-TARATASY ILAINA:
👉Taratasy fangatahana,
👉Taratasy fanamarinana fikarohana tsy nahitambokatra avy amin’ny Kaominina misy ny toerana farany nonenan’ny maty,
👉Taratasy manamarina ny fahatarana fanambarana avy amin’ny Kaominina,
👉Taratasy manamarina ny fahafatesana avy amin’ny mpitsabo mpiasam-panjakana (fiche de constatation de décès),
👉Taratasy fahazoan-dàlana handevina (permis d’inhumer),
👉Sora-pahaterahan’ilay olona maty na ny dika mitovin’ny karapanondrony,
👉Fanamarinam-ponenan’ny mpangataka,
👉Ny dika mitovin’ny karapanondron’ny vavolombelona 2.

🔷 SARAN’NY FAMPDIRANA FANGATAHANA ENY AMIN’NY FITSARANA:
Tsy misy sarany aloa fa maimaimpoana izany.

🔷 TSARA HO FANTATRA MIKASIKA NY PAIK’ADY ARAHANA SY NY FOTOAM-PITSARANA:
👉Ampidirina eny amin’ny lehiben’ny mpirakidraharaham-pitsarana ireo antontantaratasin’ady voalaza teo ambony,
👉Ny mpangataka dia tsy maintsy miseho eo anoloan’ny fitsarana miaraka amin’ny vavolombelona roa feno 21 taona no farafahakeliny, efa manana karapanondrom-pirenena ary nahalala tsara ny maty,
👉Ampahibemaso azon’ny olona rehetra atrehina ny fotoam-pitsarana.
👉Ento izay porofo rehetra hanohananao ny fangatahanao.

🔷 REHEFA MIVOAKA ILAY DIDIM-PITSARANA:
👉Entina any amin’ny Kaominina misy ny toerana farany nonenan’ny maty ilay didy,
👉Izay vao afaka manoratra ny fahafatesana ao amin’ny boky firaiketana ny tompon’andraikitry ny sora-piankohonana,
👉Afaka mamoaka sora-pahafatesana amin’izay avy eo ilay Kaominina.

Posted in Annonces et Informations

FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA

📌 Taorian’ny fifampizarana ireo tsara ho fantatra mikasika ny Didim-pitsarana misolo fahaterahana dia indro entina amintsika mandritry ny roa herinandro dia ny mahakasika ny Didim-pitsarana misolo sora-pahafatesana na ny « Jugement supplétif de décès ».

🔴 Ny lalàna mifehy ny sora-piankohonana laharana faha 2018-027 tamin’ny 08 febroary 2019 ihany no mifehy izany.

🔷 FANTARO fa : NY FE-POTOANA HANAMBARANA
Toy ny tamin’ny fanambarana fahaterahana dia telopolo (30) andro aorian’ny fahafatesana farafahatarany no tsy maintsy anaovana ny fanambarana izany fahafatesana izany.

🔷 AHOANA NO ATAO RAHA DILA IO FE-POTOANA IO KANEFA TSY VITA ILAY FANAMBARANA FAHAFATESANA ?
Mangataka didy misolo sora-pahafatesana any amin’ny Fitsarana mba hanoratana izany fahafatesana izany ao anatin’ny bokin’ny sora-piankohonana.
Entanina araka izany izay rehetra voakasika mba hanao ara-potoana ny fanambarana fahafatesana mba hisorohana ilay paik’ady ara-pitsarana satria efa lava ny fotoana nomen’ny lalàna fotoana anaovana izany.

🔷 IREO AFAKA MANAO NY FANGATAHANA DIDIM-PITSARANA MISOLO SORA –PAHAFATESANA :
👉 Ny fianakavian’ny maty (vady, zanaka, ray, reny, iray tampo, raibe, renibe) ka afaka manamarina ny rohim-pihavanany amin’ny maty,
👉 Izay olona nanatrika ny nahafatesany
Raha toa ka marobe ny mpangataka dia afaka manome fahefana olona iray izay hisolotena azy ireo.

🔷 AIZA NO FITSARANA ATONINA ?
Ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany (ady madio) ao amin’ny toerana farany nonenan’ilay maty.

Posted in Annonces et Informations

FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA.

📌 Hamaranantsika ireo tsara ho fantatra mahakasika ny Didim-pitsarana misolo sora-pahaterahana na ny « Jugement supplétif de naissance » dia indro entina amintsika ireo taratasy ilaina amin’izany sy ny fizotry ny paik’ady.

🔷 IREO ANTONTAN-TARATASY ILAINA :
👉Taratasy fangatahana,
👉Taratasy fanamarinana fikarohana tsy nahitambokatra avy amin’ny Kaominina nahaterahana (certificat de recherches infructueuses),
👉Taratasy manamarina ny fahatarana fanambarana avy amin’ny Kaominina nahaterahana,
👉Taratasy manamarina avy amin’ ny mpitsabo mpiasam-panjakana mamaritra ny mety ho taona sy ny maha lahy na maha vavy ilay olona tsy manana kopia (certificat d’examen somatique),
👉Fanamarinam-ponenan’ny mpangataka,
👉Sora-pahaterahan’ireo ray aman-dreny sy ny sora-panambadiana raha vita soratra,
👉Ny dika mitovin’ny karapanondron’ny vavolombelona 2.

🔷 MAIMAIMPOANA VE NY FAMPIDIRANA NY FANGATAHANA ENY AMIN’NY FITSARANA ?
Eny, tsy misy sarany aloa fa maimaimpoana.

🔷 TSARA HO FANTATRA MIKASIKA NY PAIK’ADY ARAHINA SY NY FOTOAM-PITSARANA :
🔸 Ampidirina ao amin’ny lehiben’ny mpirakidraharaham-pitsarana ireo antontan-taratasin’ady voalaza teo ambony,
🔸 Ny mpangataka dia tsy maintsy miseho eo anoloan’ny fitsarana miaraka amin’ny zaza angatahana kopia sy ny vavolombelona roa feno 21 taona farafahakeliny, efa manana kara-panondrom-pirenena,
🔸 Ampahibemaso azon’ny olona rehetra atrehina ny fotoam-pitsarana,
🔸 Ento izay porofo rehetra hanohananao ny fangatahanao.

🔷 REHEFA MIVOAKA ILAY DIDIM-PITSARANA :
🔹 Entina any amin’ny Kaominina nahaterahan’ilay olona ilay didy,
🔹 Izay vao afaka manoratra ny fahaterahana ao amin’ny boky firaiketana ny tompon’andraikitry ny sora-piankohonana,
🔹 Afaka mamoaka sora-pahaterahana amin’izay ilay Kaominina avy eo.

Posted in Annonces et Informations

FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA.

📌Lohahevitra vaovao indray no indro entina amintsika mandritry ny roa herinandro dia ny mahakasika ny Didim-pitsarana misolo sora-pahaterahana na ny « Jugement supplétif de naissance ».
Ny lalàna mifehy izany dia ny Lalàna laharana faha 2018-027 tamin’ny 08 febroary 2019 mifehy ny sora-piankohonana.

🔷TADIDIO fa : NY FE-POTOANA HANAMBARANA
Telopolo (30) andro aorian’ny fahaterahana farafahatarany no tsy maintsy anaovana ny fanambarana izany fahaterahana izany.

🔷AHOANA NO ATAO RAHA DILA IO FE-POTOANA IO KANEFA TSY VITA ILAY FANAMBARANA FAHATERAHANA ? :
Mangataka didy misolo sora-pahaterahana any amin’ny Fitsarana mba hanoratana izany fahaterahana izany ao anatin’ny bokin’ny sora-piankohonana.
Izany indrindra no anentanana ny ray aman-dreny mba hanao ara-potoana ny fanambarana fahaterahana mba hisorohana ilay paik’ady ara-pitsarana. Efa nomen’ny lalàna fotoana lava be mihitsy mantsy anaovana izany.

🔷IREO AFAKA MANAO NY FANGATAHANA DIDIM-PITSARANA MISOLO SORA-PAHATERAHANA :
👉Ny ray, ny reny, ny iray tampo na ny mpitaiza raha zaza ilay tsy manana kopia ;
👉Ny tenan’ilay olona tsy manana kopia ;
👉Ny Fokontany, ny Kaominina na ny rafitra tsy miankina (ONG) ihany koa dia afaka mangataka ny hanaovana fotoam-pitsarana faobe ho an’ireo zaza tsy manana kopia eo amin’ny fiadidiany.

🔷FITSARANA MAHEFA :
Ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao amin’ny toerana nahaterahan’ilay olona tsy manana kopia.