Rectification d’Acte d’Etat Civil

NY FANITSIANA SORA-PIANKOHONANA

LALANA MIFEHY :
Andininy faha 84 sy ny manaraka amin’ny lalàna laharana faha 2018-027 tamin’ny 08 febroary 2019 mifehy ny sora-piankohonana

INONA NO ANTONY HANGATAHANA FANITSIANA NY SORA-PIANKOHONANA ?
• Raha toa ka ahitana soratra diso (Oh : « Lehilahy » ilay olona fa voasoratra hoe « vehivavy », na koa hoe « Rasoa » no anaran’ny reny fa voasoratra hoe « Raso » …)
• Na nisy soratra latsaka nefa tokony ho hita ao amin’ilay sora-piankohonana (Oh : tsy tafiditra tao anatin’ny sora-piankohonana ny daty nahaterahana sns…)

INONA AVY IREO KARAZANA SORA-PIANKOHONANA IREO ?
– Sora-pahaterahana,
– Sora-pahafatesana,
– Sora-panjanahana,
– Sora-pananganana,
– Sora-panambadiana,
– Sora-panariana.

IREO AFAKA MANAO NY FANGATAHANA FANITSIANA SORA-PIANKOHONANA :
Ilay olona voakasika na izay olona manao ny fangatahana amin’ny anarany (nomeny fahefana na raha tsy ampy taona izy dia ny rainy na ny reniny) na izay solontenan’ireo mpandova raha toa ka sora-pahafatesana no ahitsy.

INONA AVY NO TOKONY HO HITA AO ANATY TARATASY FANGATAHANA ?
– Taratasy alefa amin’ny Filohan’ny Fitsarana, misy ny mombamomba ny mpangataka ;
– Ny anton’ny angatahana ilay fanitsiana sora-piankohonana (azavaina ilay soratra diso na latsaka dia apetraka izay marina)

FITSARANA MAHEFA :
Ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eo amin’ny toerana misy ilay Kaominina namoaka ilay sora-piankohonana

IREO ANTONTAN-TARATASY ILAINA :
· Taratasy fangatahana alefa amin’ny Filohan’ny Fitsarana,
· Sora-piankohonana ho ahitsy (latsaky ny 3 volana)
· Ny dika mitovin’ny bokim-pianakaviana,
· Ny dika mitovin’ny karapanondron’ny mpangataka,
· Ny dika mitovin’ny karapanondron’ny vavolombelona 2,
. Fanamarinam-ponenan’ny mpangataka (certificat de résidence),
. Izay rehetra taratasy manaporofo ilay fahadisoana (ohatra : raha ny anaran’ny reny no diso dia entina ny sora-pahaterahany hanamarinana izany sns…)
. Taratasy fanamarinana avy amin’ny mpitsabom-panjakana manamarina ny mahalahy na mahavavy ilay voakasika raha toa izay no diso ao amin’ilay sora-piankohonana.

MAIMAIMPOANA VE NY FAMPIDIRANA NY FANGATAHANA ENY AMIN’NY FITSARANA ?
Maimaimpoana fa tsy misy vola aloa raha toa ka mandeha fitsarana ilay raharaha,
Fa raha toa kosa ka didin’ny Filohan’ny fitsarana ihany dia mahahitsy ilay diso dia misy sarany dimy arivo ariary (5.000 Ar)

NY PAIK’ADY ARAHINA SY NY FOTOAM-PITSARANA
· Ampidirina eny amin’ny lehiben’ny mpiraki-draharaham-pitsarana ireo antontan-taratasin’ady rehetra voalaza teo ambony ireo,
> Raha toa ka fahadisoana madinika na tsotsotra :
Ohatra hoe « Bema » no anaran’ilay olona fa lasa « Rema », dia didy avoakan’ny Filoha soratana eo ambanin’ilay taratasy fangatahana ihany na « ordonnance sur requête » dia efa mahahitsy ilay diso.

> Raha toa kosa ka somary lehibe ilay fahadisoana :
Ohatra hoe « lehilahy » ilay olona fa voasoratra hoe « vehivavy », dia ilaina fanadihadiana misimisy kokoa.
Noho izany :
– Ny mpangataka na izay misolo tena azy (raha toa ka tsy ampy taona izy) dia tsy maintsy miseho eo anoloan’ny fitsarana miaraka amin’ny vavolombelona roa feno 21 taona,
– Afaka mandray izay fepetra rehetra hitany fa ilaina amin’ny famotorana izay ataony ny fitsarana toy ny fanaovana fanadihadiana, fametrahana peta-drindrina…
– Ny porofo rehetra tonga eo am-pelatanany no hitsaran’ny Fitsarana,
– Izay olona rehetra manamarina ny fisian’ny tombontsoany avy amin’ilay fangatahana fanitsiana ihany koa dia afaka mangataka hitsofoka amin’ilay raharaha ary mitondra izay rehetra porofo eo am-pelatanany.

AORIAN’NY FOTOAM-PITSARANA na NY DIDIN’NY FILOHAN’NY FITSARANA:
· Entina any amin’ny Kaominina izay namoaka ilay sora-piankohonana diso ilay didim-pitsarana raikitra (grosse),
· Soratana ao amin’ny rejisitra voatondro ny ventin’ilay didy miampy izay soratra an-tsisiny,
· Voahitsy ilay sora-piankohonana amin’ny alalan’ny soratra an-tsisiny ataon’ny Kaominina.

Brochure