PAIKADY ARA-PITSARANA AMPIHARINA AMIN’NY ANKIZY MANAO HELOKA.

LALANA MIFEHY :
Lalàna laharana faha 2016-018 ny 22 aogositra 2016 mikasika ny fepetra sy paika arahina ampiharina amin’ny ankizy nanao heloka
Inona no atao hoe ankizy nanao heloka?
➡ olona iray latsaky ny 18 taona
➡ nanatanteraka fandikan-dalàna momba ny ady heloka.

TSARA HO FANTATRA:
➡ Amin’ny fotoana nanaovana ny fandikan-dalàna no hamaritana ny taona maha ankizy.
➡ Ny ankizy latsaky ny 13 taona dia tsy tompon’andraikaitra ara-keloka izany hoe tsy azo enjehina na helohina amin’ny heloka nataony izy.

Inona avy ireo fepetra mifehy ny paikady?

Ireo fepetra mifehy ny paikady:
☑️ ny tombotsoa ambonin’ny ankizy;
☑️ ny zo tsy hiaran’ny fanavakavanana;
☑️ ny zo ho arovana;
☑️ ny zo ho enoina sy haneho hevitra;
☑️ ny zo ho velona, hiaina sy hivelatra araka ny maha olona;
☑️ ny zo ho arovana manoloana ny fampijaliana sy ny fitondrana mampijaly, tsy mifanaraka amin’ny maha-olona ary mampihetry ;
☑️ ny zo tsy ho teriterena amin’ny fahafahana amin’ny fomba tsy ara-dalàna
☑️ ny zo ho amin’ny fitsarana tsy mitanila.

NY PAIKADY EO ANATREHAN’NY MPIKAROKA FANDIKAN-DALÀNA

Ahoana no fizotry ny fanadihadiana?
👉 Tsy maintsy henoina eo anatrehan’ny ray aman-dreniny na ny havany na ny olona manana fahefana aminy ny ankizy.
👉 Manan-jo hanana mpiaro ihany koa izy, na izay olona nosafidiany manokana.

Afaka tanana ambany maso ve ny ankizy?
Tsia, raha tsy hoe:
👉 Hita fa izany fepetra izany ihany no afaka hiantohana ny fampandehanana tsara ny fizotry ny paikady,
👉 na koa heloka lehibe no nataon’ilay ankizy ary ilàna ny mitana azy ho fiarovana azy sy fitandrovana ny filaminam-bahoaka.
Tsy mahazo mihoatra ny 24 ora anefa ny fitazonana ambany maso ny ankizy.

📌 Ny ankizy latsaka ny 13 taona dia tsy azo tanana ambany maso mihitsy.

NY PAIKADY EO ALOHAN’NY MPITSARA NY ANKIZY

Iza no atao hoe mpitsara ny ankizy?
👉 Mpitsara natao hisahana manokana ny ankizy napetraka isaky ny fitsarana tsirairay avy.
👉 Miandraikitra ny famotorana amin’ny heloka tsotra na heloka bevava ataon’ny ankizy.
👉 Mitsara ireo nanao heloka tsotra.

Fampidirana ny raharaha: aorian’ny Taky fampidirana avy amin’ny Tonia Mpampanoa na ireo mpisolo azy izay miandraikitra ny ankizy.

Ny fanadihadiana eo anatrehan’ny mpitsara ny ankizy?

Henoina mpitsara eo anatrehan’ny ray aman-dreniny na olona manana fahefana aminy na olona nofidiany na ny mpiharo azy.
Manokatra ny fanadihadiana ara-piaraha-monina didian’ny mpitsara ny ankizy ahafahana mamantatra ny lasany sy ny fomba mety indrindra amin’ny fanarenana azy.

Ireo fepetra azo asolo ny famonjana
Mijanona ho fepetra voatokana izay tsy ampiharina raha tsy misy antony manokana ny fitanana vonjimaika ny ankizy.

Ireto avy ireo fepetra azo asolo ny famonjana ary tsy mihoatra ny enim-bolana ny fampiharana azy:
👉 ny fanaraha-maso ara-pitsarana izay manome fahafahana saingy manery azy kosa hanaraka fepetra maromaro.
👉 ny fahafahana araha-maso izay manome fahafahana ny ankizy ho afaka ary mametraka ny fanabeazana azy amin’ireo mpiasa aratsosialy izay eo ambany fahefan’ny mpitsara ny ankizy
👉 ny fametrahana ny ankizy eny amin’ny toby fanarenana.

Ny fizotry ny fotoam-pitsarana
Raha heloka tsotra no nataon’ny ankizy dia ny Fitsarana ny ankizy no miandrakitra izany.
Raha heloka bevava kosa dia ny Fitsarana ady heloka bevava momba ny ankizy no miandraikitra izany.
Ny ady hevitra dia tsy azo atrehan’ny olon-drehetra hafa tsy ny ray aman-dreniny, ny mpiaro, ary ny mpiady aminy irery ihany.
Tsaraina misaraka ny raharaha misy ny ankizy sy ny olon-dehibe.
Tsy mihoatra ny roa herinandro ny fanemorana ny raharaha mikasika ny ankizy.

Inona avy ireo sazy mety hihatra amin’ny ankizy?
Raha toa ka voamarina fa tompon’andraikitra ara-keloka ny ankizy 13 ka hatramin’ny 18 taona dia misitraka feno ny zo amin’ny fanalefahan-tsazy izy.
Ny sazy tononina ho an’ny ankizy dia tsy mihoatra ny antsasaky ny sazy tononina raha toa ka ampy taona izy tamin’ny fotoana nanaovany ny heloka.
Raha voaheloka ho sazy an-terivozona mandrapaha faty izy dia 10 ka hatramin’ny 20 taona an-tranomaizina ny heloka azo ampiharina aminy.
Izany dia atsasaky ny sazy ampiharina amin’ny olona ampy taona nanao heloka bevava.

📌 Raha toa ka voatonona ny fampihetrena ny mahaolona, dia roa taona an-tranomaizina no sazy ampiharina aminy.

Misy ihany koa ireo sazy asolo ny famonjana :
👉 ny fahafahana araha-maso,
👉 ny fametrahana azy amin’ny toeram-pitsaboana na fanabeazana ara-tsaina,
👉 ny fanatanterahana asa ho an’ny fiaraha-monina,
👉 ny famerenana,
👉 ny fanamboarana ny fitaovana simba.

⭕️ Ho an’ireo voarohirohy na voampanga latsaky ny 13 taona, dia fepetra fanabeazana toy ny fananarana na fampitandremana mialohan’ny hamerenana azy amin’ireo ray aman-dreniny na amin’ ny mpiantoka na amin’ny fianakaviana mandray azy na ireo rehetra miandraikitra azy no afaka tononina ho azy ireo.

Ny fangatahana fanarenam-pahavoazana na onitra kosa dia manaraka ny paikady arahina amin’ny lalàna iombonana.

Télécharger la brochure