Posted in Autres Evenements

Fiarovana ny zon’ireo olona tratran’ny “Albinisme”.

📌 Tonga nanao fitsidihana teto amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana tao amin-dRamatoa RABY SAVATSARAH , Sekretara Jenaraly, ireo solon-tena avy amin’ny « Association Albinos Madagascar ».

➡Niompana tamin’ny fiarovana ny zon’ireo olona tratran’ny « Albinisme » manoloana ny herisetra mianjady amin’izy ireo ny resaka. Manan-jo tahaka ny olom-pirenena rehetra izy ireo ary manana zo hiaina malalaka. Nangataka moa ireo solon-tena ny tokony hijeren’ny Minisitera politika famaizana faran’izay enjana ho an’ireo manao herisetra amin’ny olona tratran’ny « Albinisme. Manantena fiaraha-miasa akaiky amin’ny olona rehetra tsy ankanavaka ireo olona tratran’ny « Albinisme » ireo hoy hatrany ny « Association Albinos Madagascar ».

Posted in Autres Evenements

HETSIKA FANOMEZANA KOPIA SY KARAMPANONDRO MAIMAIM-PAONA.

📌 Mitohy hatrany ny hetsika fanomezana sora-pahaterahana sy karampanondrom-piren­ena ho an’ny olom-pirenena efa feno taona (18 taona) . Nosokafana anio Alarobia 28 septambra 2022 tamin’ny fomba ofisialy ny fanaovana izany teto amin’ny faritra Menabe ka teto Morondava no nanaovana izany.

⭐ Tonga nanome voninahitra ny fotoana ireo olo-manakaja maro eto Morondava, notarihan’ ny Préfet sy ny Gouvernora ary ny tale avy any amin’ny Minisiteran ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana­.

✅ Hita ho mavitrika ny olona satria maro no tonga hisitraka izany.
▪️46 ireo olona efa manana sora-pahaterahana nefa tsy nanana karam-panondrom-pirenena ka avy hatrany dia nisitraka izany,
▪️133 kosa ny olona vao nanaovana « jugements supplétifs » ka raha atambatra izany dia olona 179 no nahazo karam-panondrom-pirenena ho an’ity andro ity sady avy hatrany dia voasoratra ao anaty lisi-pifidianana.