FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA.

📌Lohahevitra vaovao indray no indro entina amintsika mandritry ny roa herinandro dia ny mahakasika ny Didim-pitsarana misolo sora-pahaterahana na ny « Jugement supplétif de naissance ».
Ny lalàna mifehy izany dia ny Lalàna laharana faha 2018-027 tamin’ny 08 febroary 2019 mifehy ny sora-piankohonana.

🔷TADIDIO fa : NY FE-POTOANA HANAMBARANA
Telopolo (30) andro aorian’ny fahaterahana farafahatarany no tsy maintsy anaovana ny fanambarana izany fahaterahana izany.

🔷AHOANA NO ATAO RAHA DILA IO FE-POTOANA IO KANEFA TSY VITA ILAY FANAMBARANA FAHATERAHANA ? :
Mangataka didy misolo sora-pahaterahana any amin’ny Fitsarana mba hanoratana izany fahaterahana izany ao anatin’ny bokin’ny sora-piankohonana.
Izany indrindra no anentanana ny ray aman-dreny mba hanao ara-potoana ny fanambarana fahaterahana mba hisorohana ilay paik’ady ara-pitsarana. Efa nomen’ny lalàna fotoana lava be mihitsy mantsy anaovana izany.

🔷IREO AFAKA MANAO NY FANGATAHANA DIDIM-PITSARANA MISOLO SORA-PAHATERAHANA :
👉Ny ray, ny reny, ny iray tampo na ny mpitaiza raha zaza ilay tsy manana kopia ;
👉Ny tenan’ilay olona tsy manana kopia ;
👉Ny Fokontany, ny Kaominina na ny rafitra tsy miankina (ONG) ihany koa dia afaka mangataka ny hanaovana fotoam-pitsarana faobe ho an’ireo zaza tsy manana kopia eo amin’ny fiadidiany.

🔷FITSARANA MAHEFA :
Ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao amin’ny toerana nahaterahan’ilay olona tsy manana kopia.