Posted in Actualités

FANOHANANA ARA-TEKNIKA SY ARA-PITAOVANA AVY AMIN’NY U.N.O.D.C. MBA HO AN’NY “E-DIGITALISATION” ENY ANIVON’NY FITSARANA ADY HELOKA MALAGASY

Ny Alakamisy faha 08 Aogositra 2022 dia tonga nitsidika amim-pomba fanajana an’Andriamatoa RAKOTOZAFY François, Mpitahiry ny Tombo-Kasem-Panjakana, Minisitry ny Fitsarana, tao amin’ny biraony teny Faravohitra, Antananarivo, ny delegasiona avy amin’ny « Office des Nations Unies contre la drogue et le crime » na « UNODC » nahitana an’Andriamatoa Jeneraly HAMA Dimby Noelson, point focaln’ny ONUDC eto Madagasikara sy ireo mpahay avy any amin’ny Biraom-paritry ny « UNODC » ao Afrika Atsinanana izay nahitana an’Andriamatoa isany Martin MBUI sy Collins OWINO.

Raha tsiahivina ny « Fandaharan’asa manerantany entina miady amin’ny heloka bevava an-dranomasina » na « Programme mondial de lutte contre la criminalité maritime » (GMCP) ao amin’ny « ONUDC » dia mikendry ny fanohanana ireo firenena mpikambana ao amin’ny Firenena Mikambana sy ny fampitomboana ny fahaiza-manaon’ireo mpiasan’ny Fitsarana amin’ny ady amin’ny heloka bevava an-dranomasina.

Taorian’i Tanzania, Comores, Maurice ary Kenya dia isan’ireo firenena izay hisitraka ny fandaharan’asa « E-digitalisation » avy amin’ny « ONUDC » ihany koa i Madagasikara mba hanatsarana ny fahombiazan’ny Fitsarana Malagasy izay misahana ny raharaha mifandray amin’ny heloka bevava an-dranomasina.

Andrandraina ho vokatry ny fanatanterahana izao fandaharan’asa izao ny fametrahana amin’ny fomba maharitra « système de gestion électronique des affaires judiciaires » (ECMS) eny anivon’ny Fitsarana Ady Heloka rehetra eto Madagasikara.

Lire la Suite « FANOHANANA ARA-TEKNIKA SY ARA-PITAOVANA AVY AMIN’NY U.N.O.D.C. MBA HO AN’NY “E-DIGITALISATION” ENY ANIVON’NY FITSARANA ADY HELOKA MALAGASY »

Posted in Annonces et Informations

FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA.

📌Lohahevitra vaovao indray ary no entina ampahafantarina antsika manomboka amin’ity herinandro ity dia ny mikasika ny Taratasy fanamarinana ny fizakana ny zom-pirenena malagasy na « certificat de nationalité malagasy ».

➡ Rehefa mikarakara taratasy isika matetika dia anisan’ny taratasy takiana mandrakariva io « certificat de nationalite malagasy » io ka hojerentsika ary hoe inona no tena ilàna azy io.

🔷INONA ARY NO LALANA MIFEHY IZANY ?
Didy hitsivolana laharana faha 60-064 tamin’ny 22 Jolay 1960 novaina sy nofenoin’ny lalàna laharana faha 61-052 tamin’ny 13 desambra 1961, sy ny lalàna laharana faha 62-005 tamin’ny 6 jona 1962, sy ny didy hitsivolana laharana faha 73-049 tamin’ny 27 Aogositra 1973, sy ny lalàna laharana faha 95-021 tamin’ny 18 septambra 1995 ary ny lalàna laharana faha 2016-038 tamin’ny 25 janoary 2017 mikasika ny fehezan-dalàna momba ny fizakana ny zom-pirenena Malagasy.

🔷IZA NO ATAO HOE MALAGASY ARAKA NY VOALAZAN’NY LALANA ?
-Ny zaza nateraky ny ray sy/ na reny Malagasy.
-Ny zaza izay teraka teto Madagasikara, tsy fantatra ny ray aman-dreniny kanefa azo heverina fa ny iray amin’izy ireo dia Malagasy mandra-pisian’ny porofo mifanohitra amin’izany.
-Ny zaza hita teto Madagasikara izay heverina fa teraka teto mandra-pisian’ny porofo mifanohitra amin’izany.

🔷INONA KOSA NO ILANA NY “CERTIFICAT DE NATIONALITE MALAGASY” ?
Mba hanamarinana fa mizaka ny zom-pirenena malagasy ny olona iray.
Ohatra raisintsika akaiky indrindra dia ny mikasika ny fanadinana hidirana ho mpiasam-panjakana, satria dia tsy maintsy Malagasy ihany no afaka mifaninana amin’izany fa tsy azo ataon’ny teratany vahiny. Dia ilaina noho izany ny taratasy manamarina ny fizakana ny zom-pirenenana malagasy ho an’ilay mpifaninana.

🔷IZA NO AFAKA MANOME NY “CERTIFICAT DE NATIONALITE MALAGASY” ?
Ny Filohan’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany irery ihany no afaka manome azy.

⭐ Ho hitantsika amin’ny heriny indray ny mikasika ny paik’ady sy ny taratasy ilaina amin’ny fangatahana ny Taratasy fanamarinana ny fizakana ny zom-pirenena malagasy na « certificat de nationalité malagasy ».

Posted in Actualités

Fidinana ifotony taty amin’ny faritra SAVA sy DIANA.

📌Fidinana ifotony taty amin’ny faritra SAVA sy DIANA izay nitokanana fotodrafitrasa sy fanolorana « kit solaire » ho an’ny vahoaka avy amin’ny fitondram-panjakana izay notarihan’ny Filoham-pirenena Malagasy, A/toa Andry RAJOELINA.

⭐ Nanatrika sy nanome voninahitra izany ny Mpitahiry ny Tombonkasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, A/toa RAKOTOZAFY François niaraka tamin’ireo mambran’ny Governementa.

⭕Tao anatin’izany ny fampisehoana ny hetsika fanaovana kopia sy karapanondrom-pirenena maimaimpoana, izay natao tao amin’ny kaominin’ambanivohitra Daraina sy Betsiaka. Tsiahivina fa tamin’ny herinandro lasa teo no nosakafana tamin’ny fomba ofisialy ity hetsika ity izay tontosaina maneranany lafivalon’ny Nosy.

📷 Pejy an-tsary 09 Septambra 2022.