Posted in Autres Evenements

Porte Ouverte/Copie & CIN.

👉 Fanombohana tamin’ny fomba ofisialy ny Hetsika fanomezana sora-pahaterahana sy karampanondrom-piren­ena maimaimpoana teto amin’ny distrikan’i Toamasina I, ny 28 septembra 2022. Tonga nanokatra izany ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena­, R/toa Naharimamy Irmah sy ny loholon’i madagasikara Voafidy taty @ faritany Toamasina, A/toa Manasoa Donnat Tang, ny goveroran’ny faritra Atsinanana, ny préfet sy ny bén’ny tananan’i Toamasina .

👉 Notanterahina ny Alarobia 28 Septambra 2022 ny varavarana misokatra (porte ouverte) tao amin’ny tokontanin’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Mananjary. Nandray anjara tamin’izany ny tompon’andraikitra rehetra ao anatin’ny tontolon’ny Fitsarana (mpitsara, mpirakidraharaha, mpisolovava, vaditany, notary, mpandraharaha ny fonja).
Fampahafantarana ny asam-pitsarana amin’ny ankapobeny sy fitondràna fanazavana manoloana ny fanontaniana napetrak’ireo tonga namaly ny antso no tena tanjona tamin’izany. Izany no natao dia mba ho fanantanterahina ny politikan’ny Minisiteran’ny Fitsarana dia ny Fitsarana manakaiky vahoaka.