Posted in Autres Evenements

AOKA TSY HATAO ANTOKA NY FIAINAM-BAHOAKA

📌Eo hanatrehan’ilay hetsika fanomezana kopia sy karampanondrom-piren­ena maimaimpoana dia manitikita ny olona, indrindra ny sendikalin’ny Mpitsara ny momba azy io.
Nanamafy ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fitsarana R/toa RABY Savatsarah fa tsy misy ambadika politika ilay hetsika na koa fanenjehana fifidianana fa fitsinjovana ny vahoaka Malagasy no tena tanjona mba hisitraka ny zo maha-olom-pirenena azy ny tsirairay avy. Ao anatin’ny fotoana fanavaozana na « refonte » ny lisitry ny Mpifidy izay tokony atao isaky ny 10 taona ihany koa isika izao ka tsy maintsy natao amin’ity taona 2022 ity izany. Ka manentana an’ireo mpitsara namana rehetra ny Sekretera Jeneraly mba tsy hanao hantoka ny fiainam-bahoaka fa mba hiara-hiasa hatrany ho an’ny tombontsoan’ny vahoaka.

⭕Raha ny momba ilay raharaha Ikongo kosa dia eo amin’ny 98 ireo voafonja no efa tafaverina ao am-ponja amin’izao fotoana izao ary 60 kosa no mbola tadiavina.

🎥🎤Mitondra fanazavana ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fitsarana, R/toa RABY Savatsarah.

Posted in Autres Evenements

🇺🇳 ⚖ FITSIDIHANA NATAON-DRAMATOA MULUKA ANNE MITI-DRUMMOND, MANAM-PAHAIZANA MANOKANA MIKASIKA NY FISITRAHAN’NY OLONA TRATRAN’NY “ALBINISME” NY ZON’OLOMBELONA, AVY EO ANIVON’NY FIRENENA MIKAMBANA.

📌Ao anatin’ny fitsidihana ofisialy ataon-dRamatoa MULUKA Anne Miti-Drummond, manam-pahaizana manokana mikasika ny fisitrahan’ireo olona tratran’ny “albinisme” ny zon’olombelona avy eo anivon’ny Firenena mikambana eto Madagasikara dia nisy ny fihaonana nataony tamin’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana izay notarihan- dR/toa RABY SAVATSARAH Ain’Harimanga, Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fitsarana , anio 21 septambra 2022 teto Faravohitra.

✅ Fizarana ireo fanao tsara na “bonnes pratiques” ka mety hanampy an’I Madagasikara amin’ny fiatrehana ireo fanohintohinana ny zon’ireo sokajin’olona ireo no anisan’ny anton’ny fihaonana ary nomarihany ihany koa ny finiavany hanampy .

⭕Marihana moa fa efa nisy ny fandraisana andraikitra teo ambany fitarihan’ny Ministeran’ny Fitsarana miaraka amin’ny avy eo anivon’ny Kaomisaria Ambony misahana ny zon’olombelona na ny HCDH sy UNICEF ary ireo mpisehatra eo anivon’ny Governemanta voakasika mivantana amin’ny raharaha fanohintohinana ny zon’ireo olona tratran’ny “albinisme” tamin’ny fiandohan’ny volana Mey ary anisan’ny fepetra noraisina tamin’izany ny tsy maintsy hanaovana fandinihana ( étude) mikasika ny mombamomba ireo olona tratran’ny “albinisme” toy ny taha mihoatra amin’ny isan’ny mponina, ny faritra tena misy tranga, ny antony…. Izany moa dia mba hahafahana mametraka paik’ady sy drafitr’asa mahomby entina hiarovana ireo sokajin’olona ireo.

Efa eo andalam–panatanterahana izany fandinihana na “étude” izany ankehitriny ary hivoaka tsy ho ela ny vokany.
➡ Maro ireo teboka nodinihana izay mizotra mankany amin’ny fiarovana ireo olona tratran’ny “albinisme”.
Nanambara ny fahavononany hanampy an’i Madagasikara amin’ny hetsika hiadiana amin’izao tranga mampalahelo izao moa ny tenany.
• Olombelona tahaka ny olombelona rehetra ny olona tratran’ny “albinisme” ka mendrika hisitraka ny zo rehetra hananan’ny olombelona.
• Tsy mamindra ny “albinisme”
• Tsy tokony hisy ny fanavakavahana sy fanilikilihana eo amin’ny fiaraha-monina
• Enjehin’ny lalàna manankery ny fanaovana herisetra @ endriny rehetra
• Diso tanteraka ny finoana fa misy hery hafa ny olona tratran’ny “albinisme” .

Posted in Actualités

Fananganan-tsaina.

🇲🇬 ⚖ Fananganan-tsaina teto amin’ny Ministeran’ny Fitsarana izay notarihan’ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fitsarana, R/toa RABY Savatsarah.

Posted in Annonces et Informations

FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA.

📌 Hamaranantsika ireo tsara ho fantatra mikasika ny Taratasy fanamarinana ny fizakana ny zom-pirenena malagasy na « certificat de nationalité malagasy », dia momba ny paik’ady arahina sy ny taratasy rehetra ilaina amin’izany indray no entina amintsika.

🔷 PAIK’ADY ARAHINA :
👉 Manao taratasy fangatahana “certi¬ficat de nationalité” izay alefa amin’ny Filohan’ny Fitsarana Ambaratonga voalohany misy ny toeram-ponenan’ny mpangataka,
👉 Aterina ao amin’ny biraon’ny Sekretera manokan’ny Filohan’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ny fangatahana ary ampiarahina amin’izany ny antotan-taratasy ilaina sy ny porofo rehetra.

🔷 IREO ANTONTAN-TARATASY AMPIARAHANA AMIN’NY FANGATAHANA :
👉 Kopian’ny sora-pahaterahan’ny mpangataka,
👉 Kopian’ny bokim-pianakavian’ny Ray aman- drenin’ny mpangataka (tsara raha vita fanamarinana tany amin’ny Firaisana) na sora-panambadian’ny Ray aman-drenin’ny mpangataka,
👉 Taratasy fanamarinam-ponenan’ilay mpangataka.

🔷 MISY SARANY VE NY FANAOVANA AN’IZANY ?
Misy sarany roa arivo Ariary (2000Ar) ny fangatahana.

🔴 Fanamarihana :
Tsy mandeha fotoam-pitsarana na « audience » ny fangatahana « Certificat de Nationalité Malagasy » fa rehefa ampy tsara ny porofo rehetra manamarina fa mizaka ny zom-pirenena Malagasy ilay olona izay mangataka dia efa afaka manome izany ny Filohan’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany.

Posted in Annonces et Informations

Ny antony ilàna ny kopia.

📌 Ilaina amin’ny fiainana rehetra ny kopia. Na hianatra,na hanambady na hivoaka any ivelany, na hikarakara antontan-taratasy. Tsy afaka misaraka amin’ny olona ary tsy maintsy ananany arak’izany ny kopia.

🎥 Araho ato anatin’ity fanadihadiana ity ny antony ilàna ny kopia sy ny atao hoe kopia. Fanazavana izay entin’ny Tale jeneraly misahana ny raharaham-pitsarana, ny fandinihana sy ny fanavaozana (DGAJER) eo anivon’ny Minisiteran’ny Fitsarana,
Rtoa RAKOTONDRAJERY R. Salohy.