🇺🇳 ⚖ FITSIDIHANA NATAON-DRAMATOA MULUKA ANNE MITI-DRUMMOND, MANAM-PAHAIZANA MANOKANA MIKASIKA NY FISITRAHAN’NY OLONA TRATRAN’NY “ALBINISME” NY ZON’OLOMBELONA, AVY EO ANIVON’NY FIRENENA MIKAMBANA.

📌Ao anatin’ny fitsidihana ofisialy ataon-dRamatoa MULUKA Anne Miti-Drummond, manam-pahaizana manokana mikasika ny fisitrahan’ireo olona tratran’ny “albinisme” ny zon’olombelona avy eo anivon’ny Firenena mikambana eto Madagasikara dia nisy ny fihaonana nataony tamin’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana izay notarihan- dR/toa RABY SAVATSARAH Ain’Harimanga, Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fitsarana , anio 21 septambra 2022 teto Faravohitra.

✅ Fizarana ireo fanao tsara na “bonnes pratiques” ka mety hanampy an’I Madagasikara amin’ny fiatrehana ireo fanohintohinana ny zon’ireo sokajin’olona ireo no anisan’ny anton’ny fihaonana ary nomarihany ihany koa ny finiavany hanampy .

⭕Marihana moa fa efa nisy ny fandraisana andraikitra teo ambany fitarihan’ny Ministeran’ny Fitsarana miaraka amin’ny avy eo anivon’ny Kaomisaria Ambony misahana ny zon’olombelona na ny HCDH sy UNICEF ary ireo mpisehatra eo anivon’ny Governemanta voakasika mivantana amin’ny raharaha fanohintohinana ny zon’ireo olona tratran’ny “albinisme” tamin’ny fiandohan’ny volana Mey ary anisan’ny fepetra noraisina tamin’izany ny tsy maintsy hanaovana fandinihana ( étude) mikasika ny mombamomba ireo olona tratran’ny “albinisme” toy ny taha mihoatra amin’ny isan’ny mponina, ny faritra tena misy tranga, ny antony…. Izany moa dia mba hahafahana mametraka paik’ady sy drafitr’asa mahomby entina hiarovana ireo sokajin’olona ireo.

Efa eo andalam–panatanterahana izany fandinihana na “étude” izany ankehitriny ary hivoaka tsy ho ela ny vokany.
➡ Maro ireo teboka nodinihana izay mizotra mankany amin’ny fiarovana ireo olona tratran’ny “albinisme”.
Nanambara ny fahavononany hanampy an’i Madagasikara amin’ny hetsika hiadiana amin’izao tranga mampalahelo izao moa ny tenany.
• Olombelona tahaka ny olombelona rehetra ny olona tratran’ny “albinisme” ka mendrika hisitraka ny zo rehetra hananan’ny olombelona.
• Tsy mamindra ny “albinisme”
• Tsy tokony hisy ny fanavakavahana sy fanilikilihana eo amin’ny fiaraha-monina
• Enjehin’ny lalàna manankery ny fanaovana herisetra @ endriny rehetra
• Diso tanteraka ny finoana fa misy hery hafa ny olona tratran’ny “albinisme” .