Posted in Actualités

FIFANINANANA HIDIRANA HO MPIANATRA AO AMIN’NY ENAP.

📌 Alakamisy 27 jolay 2023, natao izay fomba rehetra hanamafisana ny fiarovana an’ireo valim-panadinana izay hidirana ho mpianatra eo anivon’ny Sekolim-pirenena Mpampiofana ho Mpandraharahan’ny Fonja (ENAP). Ao anatin’ny fitsarana sy fanangonana ny naotin’ireo valim-panadinana ny eo anivon’ny Sekoly izay miara miasa akaiky amin’ny FOP sy ny BIANCO. Nijery akaiky ny fizotran’izany ny Mpitahiry ny Tombokasem-Panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Rtoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.

➡ Ambaratonga samihafa ny fiarovana ny valin’ny fifaninana ka tsy misy ahiahiana amin’ny kolikoly sy ny fanovàna ny naoty ary manamafy ny Tale Jeneralin’ny sekoly, Atoa RAZAFINTSALAMA Désiré fa izay miheritreritra hanao kolikoly any dia zava-poana ihany ka manentana ny rehetra sao ho very vola fotsiny any. Mangarahara ny fifaninana ary efa tsy ho ela dia hivoaka ny valin’izany.

📌 Tsara ho fantatra fa ny Sekoly ENAP dia miara-miasa akaiky amin’ny FOP sy ny BIANCO.
🎥 Manasa antsika hanaraka izany rehetra izany, indrindra ny tafatafa teo amin’ny mpanao gazety sy Rtoa Minisitra ary ny Tale Jeneralin’ny Sekoly ENAP, Atoa RAZAFINTSALAMA Désiré izay nitondra fanentanana ho an’ny fifaninanana madio.

Posted in Actualités

FANOMANANA NY LALAON’NY NOSY.

📌 Alakamisy 27 Jolay 2023, amin’ny maha-mpiahy an’ireo mpifaninana lomano amin’ny lalaon’ny Nosy dia manaraka akaiky ny fanazara-tena sy ny fikarakarana an’ireo mpifaninana ny Mpitahiry ny Tombokasem-Panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Rtoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, ka nijery an’izay azo hanampiana azy ireo mba hanatsara kokoa ny fanazara-tena mba hampitombo ny tanjaka sy ny hery ho enti-miatrika ny lalao. Niaraka nifarimbona tamin’izany ny filohan’ny federasiona.

➡ Nanolotra rano 50 fonosana, tapis 11 isa, tady fitsambikinana 7 isa, Elastika 3 isa, kronometatra 6 isa.

⭕ Tanjona moa ny hazohana medaly maro amin’ity lalaon’ny Nosy ity.

Posted in Autres Evenements

AMBATOBOENY:CAMP PENAL BEGARA SY MAROFILAO.

📌 Alarobia faha -27 Jolay 2023, nalefan’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana hanaramaso ny fivoaran’ny asa famokarana ato amin’ny Camp Pénal Ambatoboeny ny Tale Jeneralin’ny Fandraharahana ny Fonja.

☑ Nandritra izany dia tsikaritra fa miroborobo ny famokarana. Ho an’ny Camp Pénal eto Begara, tsara faniry ny katsaka sy ny lojy, na dia misy aza ny biby mpanimba voly izay efa voafehin’ny tompon’andraikitra. Mizara roa ny taom-pambolena ho an’i Begara dia ny asara sy ny maintany ka voly maro no azo hatao mifandimby. Efa voajinja tamin’ny Volana Aprily sy ny Volana May lasa teo ny vary tamin’ny velaran-tany 60 ha ary amin’izao fotoana izao dia miakatra ny vokatra voanjo. Manana omby miisa 6 ny Camp Pénal eto Begara. Ho an’i Marofilao na dia mitsitokotoko aza ny toerana misy ny voly, nohon’ny toe-tany dia hita fa lehibe ny velaran-tany voavoly ary mihevitra ny hanampy hatrany amin’ny 40h ny tompon’andraikitra amin’ny taom-pambolena manaraka, na eo aza ny olana amin’ny toetry ny rano sy ny toetry ny tany. Manana omby miisa 16, sy osy miisa 58 ny Camp Pénal eto Marofilao. Raha mitohy ny ezaka hataon’ ireto Camp Pénal eto Ambatoboeny ireto dia ho tratra ny tanjona napetraky ny Minisitry ny Fitsarana, dia ny fahavitan-tena ara-tsakafo eny anivon’ny Fonja.