Posted in Actualités

VITA SONIA NY FIARAHA-MIASA AMIN’NY OIF (ORGANISATION INTERNATIONALE DE LA FRACOPHONIE). HANOMBOKA NY FANOMEZANA SORA-PIANKOHONANA HO AN’NY ANKIZY.

Alarobia faha 19 Jolay 2023, teto amin’ny Biraon’ny OIF Antaninarenina, nosoniavina ny fiaraha-miasa eo amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana sy ny OIF. Tohanan’ny OIF ny Minisiteran’ny Fitsarana amin’ny fanaovana Fitsarana mitety vohitra, hanomezana  » jugement supplétif » ho an’ny ankizy miisa 4.000, mba hisitrahan’izy ireo Sora-piankohonana.

Ny Kaominina 10 ao anatin’ny Faritra Itasy no hanombohana ny Fiaraha-miasa mikasika izany.
📌Nambaran’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana fa zava-dehibe eo amin’ny fiainana maha-olona izao fanohanana avy amin’ny OIF izao satria ny fanomezana sora-piankohonana dia fototry ny fanajana ny zon’olombelona, noho izy ilaina amin’ny fiainana andavanandro toy ny fidirana an-tsekoly, hatramin’ny fahazoana kara-panondro. Ny Masoivoho, Solotena maharitry ny OIF Misahana ny Ranomasimbe Indiana, Atoa Léonard Emile Ognimba dia nanamafy hatrany fa hotohizana izao fiaraha-miasa izao satria anatin’ny fandaharan’asan’ny OIF ny tetikasa Sora-piankohonana, izay manome lanja ny demokrasia, ny tany tan-dalàna ary ny fiarovana ny zon’olombelona.

Nanatrika ity fanaovan-tsonia ity ny kabinetran’ny Minisiteran’ny Fitsarana sy ny Ben’ny Tananan’Itasy.

🎥 Araho eto ny resaky ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana tamin’ny mpanao gazety tonga teny an-toerana.