Posted in Actualités

FENOARIVO ATSINANANA:Nahaliana ny olona nu hetsika FIARA ZO.

📌 Alarobia 26 Jolay 2023, avy tao Foulpointe dia nifarana tao Fenoarivo Atsinana ny hetsika Fiara Zo tamin’iny faritra Atsinanana iny. Nahaliana sy nanintona olona maro ny hetsika Fiara Zo. Betsaka ny fanontaniana nanitikitika an’ireo vahoaka tamin’ireo lohahevitra samihafa nentin’ny avy eto amin’ny Ministeran’ny Fitsarana. Tetsy andaniny, noraisina sy nohezahina novaliana ihany koa ny fitarainan’izy ireo. Izany moa dia noho ny fanatratrarana ny tanjona manakaiky vahoaka ary manatsara ny hendriky ny Fitsarana. Tsikaritra fa raharaha momba ny adi-tany no tena manahirana ny vahoaka.

➡ Nandray anjara mavitrika sy nitarika ny fotoana ny Mpitahiry ny Tombokasem-Panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana. Ny fandaharanasan’ny Firenena Mikambana ho an’ny Fampandrosoana (PNUD) no nanohana sy niara-nanantontosa ny hetsika niaraka tamin’ny Ministeran’ny Fitsarana.

🎥 Andeha indray arahitsika ny resadresaka mahakasika izany teo amin’ny mpanao gazety sy ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, R/toa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, ary ny Gouvernoran’ny faritra.

🎥************************************************************************************🎥