AMBATOBOENY:CAMP PENAL BEGARA SY MAROFILAO.

📌 Alarobia faha -27 Jolay 2023, nalefan’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana hanaramaso ny fivoaran’ny asa famokarana ato amin’ny Camp Pénal Ambatoboeny ny Tale Jeneralin’ny Fandraharahana ny Fonja.

☑ Nandritra izany dia tsikaritra fa miroborobo ny famokarana. Ho an’ny Camp Pénal eto Begara, tsara faniry ny katsaka sy ny lojy, na dia misy aza ny biby mpanimba voly izay efa voafehin’ny tompon’andraikitra. Mizara roa ny taom-pambolena ho an’i Begara dia ny asara sy ny maintany ka voly maro no azo hatao mifandimby. Efa voajinja tamin’ny Volana Aprily sy ny Volana May lasa teo ny vary tamin’ny velaran-tany 60 ha ary amin’izao fotoana izao dia miakatra ny vokatra voanjo. Manana omby miisa 6 ny Camp Pénal eto Begara. Ho an’i Marofilao na dia mitsitokotoko aza ny toerana misy ny voly, nohon’ny toe-tany dia hita fa lehibe ny velaran-tany voavoly ary mihevitra ny hanampy hatrany amin’ny 40h ny tompon’andraikitra amin’ny taom-pambolena manaraka, na eo aza ny olana amin’ny toetry ny rano sy ny toetry ny tany. Manana omby miisa 16, sy osy miisa 58 ny Camp Pénal eto Marofilao. Raha mitohy ny ezaka hataon’ ireto Camp Pénal eto Ambatoboeny ireto dia ho tratra ny tanjona napetraky ny Minisitry ny Fitsarana, dia ny fahavitan-tena ara-tsakafo eny anivon’ny Fonja.