Posted in Actualités

MAHAJANGA: TAFAPETRAKA AMIN’NY TOERANY NY FILOHAN’NY FITSARANA MISAHANA NY ADY ATAO AMIN’NY FANJAKANA. NANATRIKA NY LANONANA ARA-PITSARANA MANETRIKETRIKA NY MINISITRA RANDRIAMANANTENASOA LANDY MBOLATIANA.

📌 Zoma faha-7 Jolay 2023, tao anatin’ny lanonam-pitsarana manetriketrika no nametrahana an-dRamatoa RABEHAJA Mirindra ho Filohan’ny Fitsarana Misahana ny Ady atao amin’ny Fanjakana, ho an’ny Faritanin’i Mahajanga.

➡️ Nandritra izany no nanazavany ny asan’ny Fitsarana Misahana ny Ady amin’ny Fanjakana, izay tsy miteraka fanagadrana fa manitsy ny didim-panjakana noheverina fa tsy ara-dalana ka miteraka fahavoazana ho an’izay nampiharana azy.

🔷Novelabelariny ihany koa ny vinan’asa ho entina manasongadina ity rafi-pitsarana ity, anatin’izany ny fitetezana ny Distrika rehetra mandrafitra ny Faritanin’i Mahajanga ka hitondrana fanofanana ho an’ny tompon’ andraikitra any ifotony, hahafantaran’izy ireo ny tena andraikitry ny Fitsarana misahana ny Ady atao amin’ny Fanjakana.

⭕️Ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, izay nanatrika ny lanonam-pitsarana manetriketrika teto Mahajanga, dia nanamafy fa tsy misy ny ambonin’ny lalàna fa na ny Fanjakana aza dia azo toriana, ary ny Fitsarana dia tsy mitanila, malalaka amin’ny asany ary mitsara araka ny rariny sy ny hitsiny.

⭐Nanatrika ny lanonana ireo tompon’andraikitra isan’ Ambaratonga Sivily sy Miaramila ary ny fianakaviamben’ny Fitsarana eto Mahajanga sy ireo Delegasiona avy any Antananarivo.

🎥 Indro ny resaka nifanaovany tamin’ny mpanao gazety tonga teny an-toerana.

Posted in Actualités

MAHAJANGA : HANOTRONA NY FAMETRAHANA NY FILOHAN’NY FITSARANA MISAHANA NY ADY ATAO AMIN’NY FANJAKANA NY MINISITRY NY FITSARANA.

📌Alakamisy faha – 6 Jolay 2023, tonga eto Mahajanga ny Minisitra RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana. Nisy avy hatrany ny fifampitam-baovao sy ny fampahafantarana ny fandaharam-potoana, niarahana tamin’ireo tompon’andraikitra ara-panjakana.

⭕️Ny hariva dia nihaona tamin’ny Mpitsara rehetra eto Mahajanga ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, dinika sy fifanakalozan- kevitra amin’ny fomba hanatsarana kokoa ny fomba fiasa.

⭕️Taorian’ny fihaonana tamin’ny Mpitsara, dia nihaona tamin’ny Mpirakidraharaha eto Mahajanga ihany koa ny Minisitry ny Fitsarana, fotoana nahafahan’ny Minisitra nanazava tamin’ny antsipirihiny, ireo fotokevi-dehibe ho antina manatanteraka ny fanamby napetraka, dia ny ady amin’ny kolikoly, ny Fitsarana tsy mitanila, ny Fitsarana manakaiky Vahoaka.

➡️Ny Zoma faha – 7 Jolay no hametrahana ny Filohan’ny Fitsarana Misahana ny Ady atao amin’ny Fanjakana eto Mahajanga. Hanatrika izany ny Minisitra RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.