Posted in Actualités

CAMP PENAL AMBATOBOENY.

📌 Ny Sabotsy faha-8 Jolay 2023, nitsidika ny « Camp Pénal » Ambatoboeny ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakàna, Minisitry ny Fitsarana, RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.

➡ Miisa roa ny « Camp Pénal » ao Ambatoboeny: ny ao Marofilao dia misy velaran-tany mirefy 270 ha. Ny 34 ha dia voavoly vary, katsaka, vomanga ary voatsiroky ka ny Voafonja no namboly sy mikarakara. Ny 30 ha kosa dia iaraha-miasa amin’ny Mponina eo an-toerana. Misy ireo tany tsy azo kasihana mba hiarovana ny nofon-tany. Ankoatry ny fambolena dia manana omby miisa 21 sy osy miisa 58 ny « Camp Pénal » Marofilao.

➡ Ny ao Begara kosa dia misy velaran-tany mirefy 300 ha sy 50 ara. Ny 60 ha dia efa nahavokarana vary fa amin’izao fotoana izao dia voavoly katsaka ka ny voafonja no namboly sy mikarakara izany. Ny 75 ha kosa dia iaraha-miasa amin’ny Mponina eo an-toerana. Ankoatry ny fambolena dia manana omby miisa 6 ny « Camp Pénal » ao Begara.

🔹 Nandritry ny fitsidihana nataony , nanambara ny Minisitra RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana fa ao anatin’ny fanambin’ny Fitondram-panjakàna ny fahavitan-tena ara-tsakafo, ary izany no isan’ny antony namelomana ny « Camp Pénal » satria ankoatry ny fahavitan-tena ara-tsakafo dia manena ny vola mivoaka amin’ny Fanjakàna, mikasika ny famatsiana ara-tsakafo ny voafonja ihany koa ny vokatra avy amin’ny « Camp Pénal » ary efa fanomanana ny voafonja, hiatrika ny fiainany eny anivon’ny fiarahamonina rehefa tapitra ny sazy.

⭕ Nisy arak’izany ny toromarika nomen’ny Minisitra ho an’ny tompon’andraikitra: ao anatin’izany ny fanitarana ny velaran-tany volena amin’ny taom-pambolena manaraka sy ny fampitana ny fomba hitantanana ny « Camp Pénal ». Ao amin’ny Fonjan’Ambatoboeny no hanangonana ny vokatra, mialohan’ny handefasana azy any amin’ny Fonja.

🎤 Hampitomboina ny velaran-tany volena, nanome toromarika ho an’ny mpitantana teny an-toerana ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana R/toa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.
🎥 Manasa antsika hanaraka ny fanadihadiana.