Posted in Autres Evenements

Mankalaza ny volan’ny ankizy ireo voafonja tsy ampy taona.

📌 Zoma 30 Jona 2023, noho ny fiaraha-miasa eo amin’ny Ministeran’ny Fitsarana sy ny fikambanana AXIAN ary Grandir Dignement miaraka amin’ny fanoanan’ny Mvola, Vitafoam, First immo, connecteo, Pulse, Sanko ary AGL dia afaka nankalaza ny volan’ny ankizy tahaka’ireo ankizy rehetra ireo vofonja tsy ampy taona eto Antanimora.

✅ Nohavaozina ny faritry ny fonja mba ho mendrika azy ireo, nolokoina, ary nohatsaraina ny anatiny rehetra ary notolorana zava-maro ihany koa toy ny savony, baolina, ankanjo, kidoro , lamba firakotra, vato mamy, koveta, vilany sy ny kojakoja an-dakozia. Izany dia ao anatin’ny fitsinjovana ny zon’ireo ankizy voafonja mba hihaina tsara ohatran’ny ankizy rehetra.

⭐ Tonga nanotrona sy nanome voninahitra ny fotoana ary nisolotena ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana ny Tale Jeneralin’ny Fandraharahana ny Fonja , A/toa RALISAONA Arsène.

🎤 Fanadihadiana fohifohy ny Tale Jeneralin’ny Fandraharahana ny Fonja, A/toa RALISAONA Arsène,
nisolo tena ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana nandritra ny fankalazana ny volan’ny ankizy teny amin’ny fonjaben’Antanimora.
🎥 Manasa anao hanaraka izany.

Posted in Actualités

Fametrahana ny lehiben’ny Mpirakidraharaha eo anivon’ny Fitsarana Fandravana.

📌 Alakamisy 29 Jona 2023, lanonam-pitsarana manetriketrika nametrahana tamin’ny toerany amin’ny maha-Lehiben’ny Mpirakidraharaha eo anivon’ny Fitsarana Fandravana an’i Ramatoa RAKOTOARIMANANA BESSON Betty Clara. Toy ny fanao alohan’ny handrasany asa dia noraisana teo anivon’ny Fitsarana Tampony ny fianianany ary avy eo noraisina teo anivon’ny Fitsarana Avo (HCJ).

Posted in Autres Evenements

DELEGASIONA AVY AMIN’NY VONDRONA EOROPEANA SY NY VONDRONA AFRIKANA: NANAO FITSIDIHANA NY MINISITERAN’NY FITSARANA.

📌 Ny Alakamisy faha – 29 Jona 2023, Tonga teto amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana ny Delegasiona avy amin’ny Firenena mikambana , ny Vondrona Eoropeana ary ny Vondrona Afrikana. Fitsidihana izay tafiditra ao anatin’ny dinika fanamafisana ny Fandriampahalemana, mikasika ny fifehezana ny fitaovam-piadiana. Nandray azy ireo ny Talen’ny Kabinetra eo anivon’ny Minisiteran’ny Fitsarana.

➡ Tanjona ankapobeny amin’izao iraka izao ny hametrahana paik’ady mazava iraisan’ireo Minisitera miandraikitra ny filaminana, Dia ny Primatiora, ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, ny Minisiteran’ny Fitsarana, ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka, ny Minisiteran’ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana ary ny Sekreteram-panjakana misahana ny Zandarimariam-pirenena, ho fanantanterahana izany.

Posted in Actualités

FANKALAZANA NY FETIM-PIRENENA : NANDRAY ANJARA TAMIN’NY MATSO NY MPANDRAHARAHAN’NY FONJA. NANOTRONA NY LANONANA NY MPITAHIRY NY TOMBOKASEM-PANJAKANA, MINISITRY NY FITSARANA.

📌 Alatsinainy 26 Jona 2023, feno 63 taona ny niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara, torak’izany koa ny nijoroan’ny Tafika Malagasy.

⭕️ Nandray anjara tamin’ny matso lehibe nanamarihana ity andro lehibe ity ny Mpandraharahan’ny Fonja, izay sampana iray eo anivon’ny Minisiteran’ny Fitsarana. 180 no nanao ny matso ka ny 80 efa amperin’asa, 100 avy ao amin’ny ENAP, 30 kosa no isan’ny vehivavy.

⭐ Nanome voninahitra izany ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.

Posted in Actualités

MINISTERAN’NY FITSARANA.

🔸 FAMINDRANA VOAFONJA « TRANSFÈREMENT » :
NANAZAVA ARAKA NY LALANA NY MPITAHIRY NY TOMBOKASEM-PANJAKANA, MINISITRY NY FITSARANA, RANDRIAMANANTENASOA LANDY MBOLATIANA.
🎥 Manasa anao ary hanaraka izany.