FIFANINANANA HIDIRANA HO MPIANATRA AO AMIN’NY ENAP.

📌 Alakamisy 27 jolay 2023, natao izay fomba rehetra hanamafisana ny fiarovana an’ireo valim-panadinana izay hidirana ho mpianatra eo anivon’ny Sekolim-pirenena Mpampiofana ho Mpandraharahan’ny Fonja (ENAP). Ao anatin’ny fitsarana sy fanangonana ny naotin’ireo valim-panadinana ny eo anivon’ny Sekoly izay miara miasa akaiky amin’ny FOP sy ny BIANCO. Nijery akaiky ny fizotran’izany ny Mpitahiry ny Tombokasem-Panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Rtoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.

➡ Ambaratonga samihafa ny fiarovana ny valin’ny fifaninana ka tsy misy ahiahiana amin’ny kolikoly sy ny fanovàna ny naoty ary manamafy ny Tale Jeneralin’ny sekoly, Atoa RAZAFINTSALAMA Désiré fa izay miheritreritra hanao kolikoly any dia zava-poana ihany ka manentana ny rehetra sao ho very vola fotsiny any. Mangarahara ny fifaninana ary efa tsy ho ela dia hivoaka ny valin’izany.

📌 Tsara ho fantatra fa ny Sekoly ENAP dia miara-miasa akaiky amin’ny FOP sy ny BIANCO.
🎥 Manasa antsika hanaraka izany rehetra izany, indrindra ny tafatafa teo amin’ny mpanao gazety sy Rtoa Minisitra ary ny Tale Jeneralin’ny Sekoly ENAP, Atoa RAZAFINTSALAMA Désiré izay nitondra fanentanana ho an’ny fifaninanana madio.