Posted in Autres Evenements

AMBATOBOENY:CAMP PENAL BEGARA SY MAROFILAO.

📌 Alarobia faha -27 Jolay 2023, nalefan’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana hanaramaso ny fivoaran’ny asa famokarana ato amin’ny Camp Pénal Ambatoboeny ny Tale Jeneralin’ny Fandraharahana ny Fonja.

☑ Nandritra izany dia tsikaritra fa miroborobo ny famokarana. Ho an’ny Camp Pénal eto Begara, tsara faniry ny katsaka sy ny lojy, na dia misy aza ny biby mpanimba voly izay efa voafehin’ny tompon’andraikitra. Mizara roa ny taom-pambolena ho an’i Begara dia ny asara sy ny maintany ka voly maro no azo hatao mifandimby. Efa voajinja tamin’ny Volana Aprily sy ny Volana May lasa teo ny vary tamin’ny velaran-tany 60 ha ary amin’izao fotoana izao dia miakatra ny vokatra voanjo. Manana omby miisa 6 ny Camp Pénal eto Begara. Ho an’i Marofilao na dia mitsitokotoko aza ny toerana misy ny voly, nohon’ny toe-tany dia hita fa lehibe ny velaran-tany voavoly ary mihevitra ny hanampy hatrany amin’ny 40h ny tompon’andraikitra amin’ny taom-pambolena manaraka, na eo aza ny olana amin’ny toetry ny rano sy ny toetry ny tany. Manana omby miisa 16, sy osy miisa 58 ny Camp Pénal eto Marofilao. Raha mitohy ny ezaka hataon’ ireto Camp Pénal eto Ambatoboeny ireto dia ho tratra ny tanjona napetraky ny Minisitry ny Fitsarana, dia ny fahavitan-tena ara-tsakafo eny anivon’ny Fonja.

Posted in Actualités

FENOARIVO ATSINANANA:Nahaliana ny olona nu hetsika FIARA ZO.

📌 Alarobia 26 Jolay 2023, avy tao Foulpointe dia nifarana tao Fenoarivo Atsinana ny hetsika Fiara Zo tamin’iny faritra Atsinanana iny. Nahaliana sy nanintona olona maro ny hetsika Fiara Zo. Betsaka ny fanontaniana nanitikitika an’ireo vahoaka tamin’ireo lohahevitra samihafa nentin’ny avy eto amin’ny Ministeran’ny Fitsarana. Tetsy andaniny, noraisina sy nohezahina novaliana ihany koa ny fitarainan’izy ireo. Izany moa dia noho ny fanatratrarana ny tanjona manakaiky vahoaka ary manatsara ny hendriky ny Fitsarana. Tsikaritra fa raharaha momba ny adi-tany no tena manahirana ny vahoaka.

➡ Nandray anjara mavitrika sy nitarika ny fotoana ny Mpitahiry ny Tombokasem-Panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana. Ny fandaharanasan’ny Firenena Mikambana ho an’ny Fampandrosoana (PNUD) no nanohana sy niara-nanantontosa ny hetsika niaraka tamin’ny Ministeran’ny Fitsarana.

🎥 Andeha indray arahitsika ny resadresaka mahakasika izany teo amin’ny mpanao gazety sy ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, R/toa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, ary ny Gouvernoran’ny faritra.

🎥************************************************************************************🎥

Posted in Actualités

FONJAN’I FENOARIVO ATSINANANA.

📌Talata 25 jolay 2023,nitsidika ny Fonjan’i Fenoarivo Atsinanana ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.

➡️Nijery ny fivoaran’ny toeram-pambolena eo anivon’ny fonja ho fanantanterahana ny velirano faha-9 izay fahavitan-tena ara-tsakafo ka tsy ho vesatra intsony ny voafonja ho an’ny fiaraha-monina sy ny fanjakana.

➡️Teo ihany koa ny fanolorana maripakasitrahana ireo voafonja izay nanao hezaka tamin’ny fampiofanana azy ireo mba hananany traikefa hentini hiasa sy hivelomana rehefa miverina indray eo anivon’ny fiaraha-monina.

⭕️Nanolotra zavatra ho an’ireo voafonja ihany koa ny ministra ho fanampiana azy ireo toy ny jiro, vilany, koveta, vary, mangahazo sy zavatra maro samihafa.

🎥🎤 Arahantsika indray ary ny andininy mahakasika izany.

Posted in Actualités

Tetikasa Fiara Zo, notanterahina tao Foulpointe.

📌Alatsinainy faha 24 Jolay 2023, fihaonana tamin’ny Vahoakan’i Foulpointe. Izany dia vokatry ny fiaraha-miasan’ny Minisiteran’ny Fitsarana sy ny PNUD, amin’ny alalan’ny tetikasa Fiara Zo.

➡ Nampahafantarina ny Vahoaka ireo zo sy lalàna misy sy ireo navaozina.

⭐Nitarika izany ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, notronon’ny Mpitsara, Mpirakidraharaha, Mpisolovava (avocat), Vaditany (huissier)ary Mpiraki-teny mpanoto-soratra (Notaire). Hipoka vahoaka ny toerana nanaovana ny fanazavana sy ny adihevitra, ary nanova ny fomba fijery amin’ny fanantonana birao sy fitsarana. Tratra ny tanjona amin’ny Fitsarana manakaiky vahoaka.

Nanome voninahitra ny fihaonana ireo olom-boafidy sy olom-boatendry isan’ambaratonga.

🔎 Indro arahintsika ny tafatafa nifanaovan’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana tamin’ny Mpanao gazety teny an-toerana nandritra izany FIARA ZO izany.

Posted in Actualités

Fitsidihana ara-pomba fanajana.

Nanao fitsidihana ara-pomba fanajana tao amin’ny biraon’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, R/toa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana teny Faravohitra ny delegasionan’ny ao amin’ny ESAAMLG (Eastern and Southern Africa Anti-Money Laundering Group) mikasika ny fandrindrana ny ady amin’ny famotsiam-bola sy ny famatsiana ny asa fampihorohoroana eto Afrika, ary manome tosika mivantana ireo firenena mpikambana ao aminy.

📌 Tombony lehibe ho an’i Madagasikara tokoa izany hoe tafiditra ao anatin’ny fikambanana ESAAMLG izany fa indrindra fa ny fandalovan’ireo delegasiona ireo eto an-toerana.