Posted in Actualités

Ministeran’ny Fitsarana sy ny Ministeran’ny Fambolena: Voasonia ny fiaraha-miasa, hamokatra ny voafonja.

📌 Anatin’ny politikam-pitantanana napetraky ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, R/toa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, ny fanarenana ara-tsaina sy ara-panabeazana ny voafonja. Tanjona ny hananan’izy ireo asa fivelomana, rehefa tapitra ny famonjana, ka miverina eny anivon’ny fiaraha-monina. Isan’ny paikady entina amin’izany ny fanofanana ny voafonja, eo amin’ny lafiny fambolena. Hampiharina mandritry ny fanefana sazy ny fiofanana, ahafahana mamokatra sakafo. Izany no votoatin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana sy ny Minisiteran’ny Fambolena, izay namafisina tamin’ny alalan’ny fanaovan-tsonia, ka ny Minisiteran’ny Fitsarana no miantoka ny tany sy mitantana ireo voafonja amin’izany ary ny Minisiteran’ny Fambolena kosa no hanofana, hanome fitaovana sy masomboly.

⭕ Mihatra avy hatrany ny fifanarahana, ary ny ao Ambositra, izay hahitana tany mirefy 500 Ha no hanombohana azy.

Posted in Actualités

Fihaonan’ny Ministry ny Fitsarana sy ny Masoivoho Frantsay.

📌 Fihaonana ara-pomba fifanajana kanefa narahina dinidinika ara-teknika, namaritana ireo sehatra iaraha-miasa. Mitovy ny fomba fijery, dia ny fanamafisana ny ady amin’ny kolikoly sy ny fanatanterahana ny Fitsarana manakaiky vahoaka. Nanotrona ity fihaonana ity ny Tekinisianina eo anivon’ny Minisiteran’ny Fitsarana.

Posted in Actualités

Manamafy ny fiaraha-miasa i japon sy Grande Bretagne.

📌 Masoivohom-pirenena roa no nihaona tamin’ny Mpitahiry ny Tombokasem -panjakana, Minisitry ny Fitsarana Malagasy Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana teto Faravohitra.
🇯🇵 Ny Masoivohon’i Japon dia namelabelatra ny tetikasa fampandrosoana iarahan’izy ireo manatanteraka amin’i Madagasikara. Ny Minisitry ny Fitsarana, tetsy an-kilan’izay dia nanoritsoritra ny paikady ho entiny manatanteraka ny vina napetraka, ao anatin’izany ny ady amin’ny kolikoly sy ny Fitsarana manakaiky vahoaka. Hamafisina arak’izany ny fiaraha-miasa.

🇬🇧 Mbola nanamafy izay fiaraha-miasa izay ihany koa ny Masoivohon’i Grande Bretagne, taorian’ny fifanakalozam-baovao mikasika ny asa iandraiketan’ny tsirairay.

⭕ Fitsidihana ara-pomba fanajana no notanterahan’ireo Masoivohom-pirenena roa ireo, izay mahavelom-bolo sahady satria maharesy lahatra azy ireo ny fandaharan’asa vaovao napetraky ny Minisitra RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.

Posted in Actualités

Ambositra:Natolotra ho azo ampiasaina ny fonja vaovao. Hentitra amin’ny fanajana ny fotodrafitrasa ny Ministry ny Fitsarana.

📌Fotodrafitrasa efa tamin’ny 1968 ny toeram-pamonjana eto Ambositra. Tsy voahaja ny zon’ olombelona satria 168 ihany no zakany, nefa 391 no voafonja ao amin’izao fotoana izao .
⭕️Nanorina fonja vaovao ny Fitondram-panjakana. Hentitra amin’ny fanajana ny Fotodrafitrasa ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana satria manaraka ny fenitra ilaina amin’ny maha-olombelona ny fonja vaovao.

☑️ Mahazaka voafonja miisa 900. Mitokana ireo efa voatsara sy ny mbola tsy voatsara. Mitokana ihany koa ny Lahy sy ny Vavy ary ny tsy ampy taona. Misy trano fitsaboana, efitrano fianarana, efitra manokana ho an’ ny fiofanana sy fialam-boly, malalaka ny tokotany ary harifomba ny toeram-pidiovana sy ny fandrahoan-tsakafo.

🔶Nanolotra io fonja vaovao io, ho azo hampiasaina avy hatrany ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA, ny Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, notronin’ireo Mpikambana maro eo anivon’ny Governemanta, Loholona, Solombavambahoaka, Governora, ireo Mpitondra fivavahana sy Ray aman-dReny ara-drazana.

🔴 Nandray izany ny Mpandraharahan’ny Fonja, notarihan’ny Tale Jeneraly ‘ny Fandraharahana ny Fonja ary ny vahoakan’ Ambositra.

Posted in Autres Evenements

Fifamindram-pitantanana.

♦️ Niroso avy hatrany fa tsy niandry ela tamin’ny fifamindram-pitantanana teo amin’Andriamatoa RALISAONA Arsène Tale Jeneralin’ny Fandraharahana ny fonja vaovao (DGAP) sy ny Tale Jeneraly mpisolo toerana Andriamatoa RANDRIANANDRASANA Désiré .

♦️ Tamin-pirahalahiana tanteraka no nanatanterahina ny fifamindram-pitantanana, ary nandritra ny fandraisan’ny Tale Jeneraly vaovao fitenenana dia nanambara izy fa hitondra avo hatrany ny Fandraharahana ny fonja ary hanohy hatrany ny fomba fiasa haingana sy mahomby.