Posted in Actualités

ANTENIMIERAM-PIRENENA : NITATITRA NY ASA VITA SY ANDALAM-PAMITANA ARY NY VINA HO TANTERAHANA NY MPITAHIRY NY TOMBOKASEM-PANJAKANA, MINISITRY NY FITSARANA.

📌 Notanterin’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, teo anatrehan’ny Solombavambahoaka fa anatin’ny asa efa natomboka, ary mitohy hatramin’izao ny fanafainganana ny raharaham-pitsarana, niainga tamin’ny fampiharana ny lamin’asa vaovao, ho an’ny fitsarana ny ady tany, ary mitohy amin’ny fanenana ny isan’ny voafonja tsy voatsara sy fampakarana ny isan’ny voafonja voatsara, ka ny Fonjan’ Antanimora no nanaovana azy voalohany.

⭕️ Notanterin’ny Minisitra RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana ihany koa ny fampiharana ny ady amin’ny kolikoly, tafiditra ao anatin’izany ny fampiasana ny teknolojia arakajy mirindra, sy ny fifaneraserana mivantana amin’ny vahoaka, amin’ny alalan’ny Fiara Zo, izay iarahana miasa amin’ny PNUD. Ankoatr’izay dia noraketiny tamin’ny tatitra ny fanamafisana ny fambolena eny anivon’ny  » Camp Pénal », ahafahana manena ny fandaniam-bola amin’ny famatsiana ara-tsakafo ny voafonja.

➡️ Izany rehetra izany dia arahin’ny fanavaozana sy fanapariahana ny lalàna izay tokony ho fantatry ny vahoaka.
Nitarika ny fihaonana teto Tsimbazaza ny Filoha Lefitry ny Antenimieram-pirenena avy amin’ny Faritanin’ Antananarivo.

Posted in Autres Evenements

FIARA ZO : AMBONDROMAMY sy MAMPIKONY.

Ny raharaha mahakasika ny ady tany no tena maharary ny vahoaka, raha Ambondromamy sy Mampikony no atao fintina fohifohy nandritra ny fandalovan’ny FIARA ZO.

🎤 Ny Tafatafa nifanaovan’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana,
Ministry ny Fitsarana, Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana tamin’ny Mpanao gazety teny an-toerana.

🎥 Manasa anao ary.

Posted in Actualités

Fitsarana misahana ny ady atao amin’ny Fanjakana ao Toamasina: Fitsarana manetriketrika nametrahana ny Tonia Mpampanoa.

📌 Napetraka tamin’ny toerana ny Tonia Mpampanoa eo anivon’ny Fitsarana misahana ny ady atao amin’ny Fanjakana ao Toamasina ny 26 Mey 2023.

⭐ Nanatrika sy nanome voninahitra ny fotoana ny Filohan’ny Fitsarana Tampony sy ny Tonia Mpampanoa Ambony eo anivon’ny Fitsarana Tampony izay nisolotena an-dramatoa Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana.

Posted in Autres Evenements

ENMG: Tsy misy ahiahiana ny fifaninana hidirana ho mpianatra Mpirakidraharaha.

🎥 Mitondra fanazavana momba ny fikarakarana ny fifaninana hidirana ho mpianatra mpirakidraharaha ny Tale jeneralin’ny Sekolim-pirenena Mampiofana ho Mpitsara sy Mpirakidraharaha (Enmg) A/toa RAMAROLAHIHAINGONIRAINY Anthony.

📌Tsy misy tokony ahiahiana hoy izy ny momba ny fifaninana fa hisy ary ho ambara eo ihany ny fotoana ho anaovana izany.

Posted in Actualités

FIARA ZO : AFAPO TAMIN’NY FAMPAHAFANTARANA NY ZONY AMIN’NY RESAKA LALANA NY MPONIN’ AMBONDROMAMY SY MAMPIKONY.

📌 Ny Alarobia 24 Mey 2023 tao Ambondromamy, ny Alakamisy 25 Mey 2023, tao Mampikony. Tanteraka ny Fitsarana manakaiky vahoaka, tamin’ny alalan’ny « Fiara Zo », tetikasa iarahan’ny Minisiteran’ny Fitsarana sy ny PNUD.

⭕️ Vahoaka marobe hatrany no tonga nihaino ny fanazavana nentin’ny Tekinisianina isan-tokony, nahitana ny Mpitsara, ny Mpiraki-draharaha, ny Mpisolovava, ny Notaire sy ireo mpikirakira ny raharaham-pitsarana.

➡️ Nandritra izany, nitondra famelabelarana hatrany ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, nampahafantariny tamin’izany ny fotokevi-dehibe niaingan’ny Fiara Zo, ny laharam-pahamehana napetraka hitondrana ny lamina vaovao, hanadiovana ny tontolon’ny Fitsarana sy ny fitantanana ny Fonja. Napetraka ho fomba fiasa mandritry ny fanatanterahana ny Fiara Zo ihany koa ny fanomezana fitenenana malalaka ireo Vahoaka manatrika ny fihaonana ka maro no nitondra ny sosokevitra sy ny fitarainana avy aminy. Noraisina havokoa ireny, ka nisy ny nomem-baliny avy hatrany, misy kosa no tsimaintsy dinihina miaraka amin’ny Tekinisianina eo anivon’ny Minisiteran’ny Fitsarana.