Posted in Autres Evenements

Fampirindrana ny didy raikitra eo anivon’ny Fitsarana : Tontosa ny atrikasa fananganana ny komity hanatanteraka izany.

📌 Nandritra ny roa andro dia nifantoka tamin’ny fametrahana ny komity hitarika, hamolavola, hanatanteraka sy hanara-maso ny fampirindrana ireo didy raikitra rehetra eny anivon’ny Fitsarana ny Minisiteran’ny Fitsarana nisy ny Sekretera Jeneraliny Gabrielle Ain’Harimanga Raby Savatsarah sy ny filohan’ny Fitsarana Tampony Rakotonavalona Ranary Robertson ary ny PNUD mpiara-miombon’antoka.

⭕ Tsiahivina fa vao andro vitsy izay no nihaona ny solontena maharitry ny PNUD Natasha Van Rijn sy ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana Minisitry ny Fitsarana Landy Mbolatiana RANDRIAMANANTENASOA nanamafy ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Tafiditra ao anatin’izany indrindra ny Projet RINDRA tohanan’ny USAID sy PNUD : fanamafisana fifampitondrana eto Madagasikara mitondra izao atrikasa izao.

🔴 Ny fampirindrana ny didy raikitra dia hampihena ny fiakaran’ireo raraharaha any amin’ny fitsarana fandravana, hisoroka ny fahasamihafan’ny didy havoaka amina raharaha mitovy ary hiantoka ny filaminan’ny asam-pitsarana.

♦️ Ny fahatanterahan’io tetikasa io dia manamafy ny fitondrana tsara tantana kasaina apetraka, tafiditra tanteraka ao anatin’ny fanafainganana ny fitantanana ny asam-pitsarana ary manamora ny fikarakarana ireo olom-pirenena manana raharaha hotsaraina.

Posted in Autres Evenements

Fitsarana manakaiky vahoaka, Manaparitaka ny lalàna eny ifotony. Nisitraka izany ny tao Ambohitseheno.

📌Notanterahina tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ambohitseheno, Distrikan’i Manjakandriana ny fampahafantarana ireo paik’ady ara-pitsarana sy fanapariahana lalàna.

⭕ Ny Sampandraharan’ny Fanapariahana lalàna ao amin’ny Foibem-pitondrana momba ny Fandinihana sy ny Fanavaozana lalàna (DERL) eto anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana no nitondra ny fanentanana sy fanazavana manoloana ireo tomponandraikitra maro samihafa sy ireo mponina tao an-toerana sy ny manodidina.

🔴 Novelabelarina nandritra izany ny mikasika :
– ny fiankohonana ;
– ny fiarovana ny zon’ny vehivavy sy ny ankizy ;
– ny ady atao amin’ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy sy mahavavy ;
– ny manodidina ny fananan-tany ;
– ny hetra trano sy ny hetra tany ;
– ny fanenjehana ny fandikan-dalàna.
📌Hitohy manerana ny Faritra maro ny hetsika izay tohanan’ny PAJMA.

Posted in Autres Evenements

Fitaleavam-paritry ny Fandraharahana ny Fonja Amoron’i Mania.

📌 Ny fanatsarana ny kalitaon’ny fiainan’ireo voafonja dia anisan’ireo laharam-pahamehana eto anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana, anatin’izany ny fahavitan-tena ara-tsakafon’ireo voafonja. Miara-mientana arak’izany ireo mpiaramiasa isan-tsokajiny eto anivon’ny Ministera amin’ny asa famokarana.

⭕Ny tombim-pamokarana Beampolo Fonja Fandriana, Fitaleavam-paritry ny Fandraharahana ny Fonja (DRAP) Amoron’i Mania, manana tany vita voly vary 4 Ha, haninkotrana 5 Ha.

Posted in Actualités

29 Martsa 2023 – MORAMANGA : 76 taona, Tolom-panafahana firaisankina ho an’ny fitiavan- tanindrazana.

📌 Ny Filoha dia vonona amin’ny fomba rehetra ary hanao ny ezaka rehetra hampandroso ny Firenena. Manao antso ho amin’ny firaisan-kina, fitiavana ary tsy hanaiky hozarazaraina ny Filoha, handala ny marina, rariny ary hitsiny, fanoloran-tena, risi-po ary fahafohizan-tena ho an’i Madagasikara.

⭕Nanolotra fitaovana « moto » ho an’ireo Ben’ny tanana ao Moramanga ny Filoham-pirenena ahafan’izy ireo mamonjy ireo andraikitra atrehany miampy camion iray sy benne dimy hanadiovana ny Tananan’i Moramanga.

Posted in Actualités

Fitsidihana ara-pombam-panajana.

📌 Fitsidihana ara-pombam-panajana nataon’ny solontena maharitry ny PNUD eto Madagasikara, R/toa Natasha Van Rijn ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana R/toa Landy Mbolatiana RANDRIAMANANTENASOA teto Faravohitra.

♦️ Fanamafisana ny fanohanan’ny PNUD amin’ireo tetikasa samihafa sy ny fahavononan’ny Minisiteran’ny Fitsarana amin’ny fiaraha-miasa no votoatin’ity fihaonana ity.