Posted in Actualités

Fiara Zo: Fanatanterahana ny laharam-pahamehana napetraky ny Ministry ny Fitsarana.

📌Vao nandray ny toerana amin’ny maha-Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana azy Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana dia nametraka laharam-pahamehana. Ao anatin’ izany ny Fitsarana manakaiky vahoaka, ka isan’ny paikady entina manatanteraka izany ny Fiara Zo, izay niainga teto amin’ny Biraon’ny Minisitera teto Faravohitra. Hitety tanana ny Fiara Zo, ka ny Alarobia faha – 26 Aprily dia hihazo an’i Talata Volonondry sy Ankazondandy, ary ny Alakamisy faha – 27 Aprily kosa dia ao Anjozorobe.

➡️Mandritra izany no hihaonana amin’ny vahoaka, hanazavana ny zo sy ny lalana tokony ho fantatry ny olona, handraisana ny hetaheta sy ny fitarainan’izy ireo. Ny Mpitsara, ny Mpirakidraharaha, ny Mpandraharahan’ny Fonja, ny Mpisolovava, ny Notaire samy hifarimbona amin’ny fanazavana ny andraikiny sy ny tsara ho fantatra havokoa.

Posted in Actualités

Fiara Zo: Niatrika ny vahoakan’ny Talata volondry ny Mpitahiry ny tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana.

📌Ny kaominin’i Talata Volonondry no nanombohana ny Fiara Zo tamin’ity Alarobia faha -26 Aprily ity. Teo anoloan’ny vahoaka, nanazava ny laharam-pahamehany, ho fanatanterahana ny Velirano fahatelo ny Minisitra RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, nampahafantatra ny tombontsoa ho azon’ny Vahoaka amin’ny hetsika Fiara Zo ary namelabelatra ny votoatin-kevitra nanaovana izao Fitsarana manakaiky vahoaka izao. Taorian’izay dia natomboka ny fanazavana ny Zo sy ny Lalana mikasika ny Soram-piankohonana, ny fandovana, ny Fananan-tany, ny fitsaram-bahoaka.

➡️Samy nampahafantatra ny andraikiny amin’ny resaka Fitsarana ihany koa ny Mpisolovava sy ny Notaire.
Taorian’izay dia afaka nitondra ny fitarainany sy ny hetahetany ny olona tonga teto. Nilaza ny rehetra fa sambany no nisy Minisitry ny Fitsarana tonga ety ifotony, miresaka mivantana mikasika ny raharaha mankarary ny fiaraha-monina. Fisaorana no natolotr’izy ireo ho an’ny Fitondram-panjakana, amin’ny alalan’ny Minisitry ny Fitsarana.