Posted in Autres Evenements

Fifamindram-pitantanana.

♦️ Niroso avy hatrany fa tsy niandry ela tamin’ny fifamindram-pitantanana teo amin’Andriamatoa RALISAONA Arsène Tale Jeneralin’ny Fandraharahana ny fonja vaovao (DGAP) sy ny Tale Jeneraly mpisolo toerana Andriamatoa RANDRIANANDRASANA Désiré .

♦️ Tamin-pirahalahiana tanteraka no nanatanterahina ny fifamindram-pitantanana, ary nandritra ny fandraisan’ny Tale Jeneraly vaovao fitenenana dia nanambara izy fa hitondra avo hatrany ny Fandraharahana ny fonja ary hanohy hatrany ny fomba fiasa haingana sy mahomby.

Posted in Autres Evenements

Tatitra fintina mikasika ny « Etat des lieux sur la situation des personnes atteintes d’albinisme à Madagascar ».

Ny alarobia 05 aprily 2023 no notontosaina tao amin’ny efitrano malalaky ny Radisson Blu Ankorondrano ny tatitra fintina mikasika ny « Etat des lieux sur la situation des personnes atteintes d’albinisme à Madagascar ».
📌 Fikarohana niezahana mba hamantarana ny zava-misy marina iainan’ny olona manana toe-tena varira, taorian’ireo herisetra sy fakana an-keriny ireo olona varira, izay nahazo vahana tao anatin’ny 3 taona farany.

📌 Tompomarika tamin’ny fahavitan’ity karokevitra mikasika ny zavamisy iainan’ny olona manana toe tena varira ity ny Governemanta Malagasy izay notarihan’ny Ministeran’ny Fitsarana ary notohanan’ny Unicef Madagascar sy ny Haut Commissariat aux Droits de l’Homme.

📌 Tomponandraikitra avy amin’ny ankolafin-kery maro moa no tonga nanatrika ity tatitra fintina ity, ka anisan’izany ireo solon-tena avy amin’ny Ministera maro, ny avy amin’ny Firenena Mikambana, ny mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara- bola, ny fiarahamonim-pirenena izay ahitana ny fikambanan’ireo olona manana toe-tena varira.

📌 Fanombohana ihany ity fikarohana vita ity ary hotohizana amin’ny famolavolàna drafitr’asa nasionaly hiarovana ireo olona manana toe-tena varira, hanamafisana ny fahafahany misitraka ireo zo fototra isankarazany ary ny hanamoràna ny fizakan-tenan’izy ireo.

📌 Nohamafisin’ny voka-pikarohana nozaraina androany ny mahazavadehibe ny fifanomezan-tanana sy ny fifarimbonan’ny sehatra rehetra miankina sy tsy miankina amin’ny Fanjakana mba ho fiarovana sy hampiroboroboana ny zon’ny olona manana toe-tena varira.