Posted in Actualités

Ministeran’ny Fitsarana sy ny Ministeran’ny Fambolena: Voasonia ny fiaraha-miasa, hamokatra ny voafonja.

📌 Anatin’ny politikam-pitantanana napetraky ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, R/toa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, ny fanarenana ara-tsaina sy ara-panabeazana ny voafonja. Tanjona ny hananan’izy ireo asa fivelomana, rehefa tapitra ny famonjana, ka miverina eny anivon’ny fiaraha-monina. Isan’ny paikady entina amin’izany ny fanofanana ny voafonja, eo amin’ny lafiny fambolena. Hampiharina mandritry ny fanefana sazy ny fiofanana, ahafahana mamokatra sakafo. Izany no votoatin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana sy ny Minisiteran’ny Fambolena, izay namafisina tamin’ny alalan’ny fanaovan-tsonia, ka ny Minisiteran’ny Fitsarana no miantoka ny tany sy mitantana ireo voafonja amin’izany ary ny Minisiteran’ny Fambolena kosa no hanofana, hanome fitaovana sy masomboly.

⭕ Mihatra avy hatrany ny fifanarahana, ary ny ao Ambositra, izay hahitana tany mirefy 500 Ha no hanombohana azy.