Posted in Actualités

Fitsidihana ara-pomba fanajana.

Tonga nanao fitsidihana ara-pomba fanajana ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana , Ramatoa Landy Mbolatiana RANDRIAMANATENASOA teto Faravohitra ireo solontena izay misehatra ao amin’ny Banky Iraisam-pirenena.

📍 Niompana tamin’ny tetikasa “TSARA ANTOKA” ny resaka nandritra ny fitsidihana. Fametrahana ny rejisitry ny antoka amin’ny fampindramam-bola, izay afaka kirakiraina sy natao ara-kajimirindra tamin’ny volana Desambra 2022 . Ny tetikasa dia novatsian’ny Banky iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny IFC na “Société Financière Internationale”.
Tanjona ny hanatsarana sy hampahomby ny rafitra ara-pitantanam-bola sy ara-pitsarana amin’ny lafiny ekonomika.

📍Tafiditra ao anatin’ny tetikasa «TSARA ANTOKA» avokoa ireo antoka rehetra amin’ny fampidramam-bola ankoatran’ny Tany sy trano.

Posted in Actualités

Paik’ady fanafainganana ny raharaham-pitsarana mahakasika ny ady tany.

📌 Ho fanantanterahana ny vina napetraky ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana , Ministry ny Fitsarana, Ramatoa Landy Mbolatiana RANDRIAMANANTENASOA, tamin’ny nandraisany ny toerana maha ministra azy dia nanantanteraka fivoriana arak’asa teto amin’ny tranom-bokin’ny Ministeran’ny Fitsarana Faravohitra ny 03 Aprily 2023 ny tenany, niarahana tamin’ireo Mpitsara eo anivon’ny Fitsarana Ambony sy Fitsarana Ambaratonga voalohany teto Antananarivo.

📌 Ny Fitsarana eto Antananarivo no ho Fitsarana fitaratra hanombohana sy nanolorana ny paik’ady maharitra hanafainganana ny raharaham-pitsarana mahakasika ny ady tany, ary hijerena ireo olana ifotony misy sy sedrain’ny vahoaka.