Posted in Actualités

Miroso ny fambolena ao amin’ny camp Pénal Antsalaka. Fahavitan-tena ara-tsakafo eny afonja no tanjona.

📌 Midadasika ny tany, eto amin’ny Camp Pénal Antsalaka Antsiranana. 50 ha no ezahana ho volena, ka tracteur telo no nampiasaina namadihana ny bainga, vokatry ny fiaraha- miasan’ ny Minisiteran’ny Fitsarana sy ny sehatra tsy miankina.

✅ Rehefa voaasa ny tany dia miroso ny fambolena, efa misy rahateo ny masomboly. Nijery ny fandroson’izany ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana R/toa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana ary nitondra fanarenana ara-tsaina ho an’ny Voafonja. Nambarany fa rehefa tapitra ny fotoana fanefan-tsazy, dia azo hatao asa fivelomana eny anivon’ny fiaraha-monina ny fampiharana ny fiofanana sy ny traikefa azo teto amin’ny « Camp Pénal ».

⭕ Fantatra fa afaka efabolana dia hisy sahady ny vokatra hiakatra. Ny fahavitan-tena ara-tsakafo eny anivon’ny fonja no tanjona amin’izao tetikasa izao.

Posted in Actualités

Fitsidihana ara-pomba fanajana notanterahan’ny Masoivohon’ny nosy Maurice sy Iran.

📌 Misesy ireo Masoivoho vahiny tonga eto amin’ny Birao fiasan’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana teto Faravohitra. Ao anatin’izany izany ny Masoivohon’ny Nosy Maurice sy ny Masoivohon’i Iran ny 20 Aprily 2023. Na samy manana ny sehatra iasany azy ireo dia samy niaiky fa goavana ny fanamby vaovao, napetraka ho fanatsarana ny tontolon’ny Fitsarana.

⭕ Eo anatrehan’izany, dia nanamafy ny fanohanana sy fiaraha-miasa amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana, ireo Masoivoho vahiny roa ireo.