Posted in Actualités

Ambositra:Natolotra ho azo ampiasaina ny fonja vaovao. Hentitra amin’ny fanajana ny fotodrafitrasa ny Ministry ny Fitsarana.

📌Fotodrafitrasa efa tamin’ny 1968 ny toeram-pamonjana eto Ambositra. Tsy voahaja ny zon’ olombelona satria 168 ihany no zakany, nefa 391 no voafonja ao amin’izao fotoana izao .
⭕️Nanorina fonja vaovao ny Fitondram-panjakana. Hentitra amin’ny fanajana ny Fotodrafitrasa ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana satria manaraka ny fenitra ilaina amin’ny maha-olombelona ny fonja vaovao.

☑️ Mahazaka voafonja miisa 900. Mitokana ireo efa voatsara sy ny mbola tsy voatsara. Mitokana ihany koa ny Lahy sy ny Vavy ary ny tsy ampy taona. Misy trano fitsaboana, efitrano fianarana, efitra manokana ho an’ ny fiofanana sy fialam-boly, malalaka ny tokotany ary harifomba ny toeram-pidiovana sy ny fandrahoan-tsakafo.

🔶Nanolotra io fonja vaovao io, ho azo hampiasaina avy hatrany ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA, ny Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, notronin’ireo Mpikambana maro eo anivon’ny Governemanta, Loholona, Solombavambahoaka, Governora, ireo Mpitondra fivavahana sy Ray aman-dReny ara-drazana.

🔴 Nandray izany ny Mpandraharahan’ny Fonja, notarihan’ny Tale Jeneraly ‘ny Fandraharahana ny Fonja ary ny vahoakan’ Ambositra.