Posted in Autres Evenements

Hetsika Fiara zo.

📌 Tao arianan’ny fandalovana tao Ankazondandy ny Alarobia 26 Aprily 2023 dia nifarana tao ambonivohitr’i Anjozorobe ny hetsika « Fiara Zo » ny Alakamisy 27 Aprily 2023.

➡Tratra ny tanjona amin’ny hoe fitsarana manakaiky vahoaka. Tonga maro ny vahoaka ary tsapa fa tena ilaina ny fidinana ifotony toy izao mba hafahana mahazo ireo taraina sy tena hafantarana ny zava-misy eny amin’ny fiaraha-monina.
Naharitra ora maro ny fihaonana ary ireo vahoaka no tena nohenoina tamin’izany.

✅Nampafantarina ny lalàna misy sy ny zony ireo vahoaka ary natoro azy ireo ny paik’ady rehetra aram-pitsarana mba hisoroana ny tsindry sy fanararaotana ary indrindra hialàna amin’ny kolikoly izay iadivan’ny Ministeran’ny Fitsarana fatratra.

⭕Nandray anjara mavitrika sy niara-nisalaha avy ireo tompon’andraikitra ao amin’ny fitsarana toy ny Mpitsara, Mpirakidraharaha ary teo ihany koa ny Mpisolovava sy ny Notera.

🔷Izao hetsika izao moa dia tohanan’ny Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana ho an’ny Fampandrosoana (PNUD).

🔴 Ity hetsika ity dia mbola hitohy amin’ny faritra hafa.

Posted in Actualités

Fonjaben’i Toamasina.

📌 1327 no voafonja eto amin’ny Fonjan’ Ambalatavoangy. 350 ihany anefa no zakan’ny toerana. Misedra olana ny Vehivavy satria tsy misy tafo intsony ny toerana fandrahoan-tsakafo, maizina ny fonja rehefa tapaka ny jiro. Resaka tontolo iainana izay fa mbola hafa koa ny olana hateraky ny fikirakirana ny raharaha ara-pitsarana, izay nitarainan’ny voafonja teo anatrehan’ny Minisitry ny Fitsarana, rehefa nomena fitenenana malalaka izy ireo, ao anatin’izany fahabetsahan’ ireo mbola tsy voatsara kanefa efa nifonja tao anatin’ny taona maro.

⭕Nihaino sy nandray ny fitarainana sy ny sosokevitra ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana ary nitondra ny heviny manoloana ny zavatra hitany.
Nanambara fa tsy ekeny ny fitantanana mitanila, hatao amin’ny voafonja. Natao ho hampiharina ny didim-pitsarana ary manefa sazy havokoa izay nanao heloka.

✅ Hafainganina ny Fitsarana ary tsy misy afaka manome baiko hamoahana voafonja, ankoatra ny paikady araka ny lalana ihany.
Ho an’ny tontolo iainana, nitondra vahaolana ny Minisitry ny Fitsarana, nanolotra jiro, nanome tafo sy simenitra, ho famahana haingana ny mety ho tsy fandriampahalemana eo anivon’ny Fonjaben’i Toamasina.