Posted in Actualités

Fonjan’Antanimora: Tonga tampoka tsy nampilaza ny Ministry ny Fitsarana.

📌Ny Sabotsy faha-22 Aprily 2023, vao nigadona teo amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana Minisitry ny Fitsarana dia nivantana tao amin’ny Fonjan’ Antanimora. Fitsidihana tampoka tsy nisy nahafantatra.

⭕️Raha ny voasoratra ao anatin’ny boky dia miisa 4. 600 ny voafonja ao Antanimora. Nampitovy ny isa voalaza sy ny olona mbola ao am-ponja ny Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, nandalo tsirairay teo anatrehany ireo voafonja, afaka namaly ny fanontaniana napetraka taminy ny tsirairay, tao anatin’izany ohatra ny fotoana nidirana sy ny antony ary ny dingana ara-pitsarana efa vita. Nisy ny lesoka hitan’ny Minisitry ny Fitsarana izay nandraisany fanapahankevitra avy hatrany, ary nanomezany toromarika mazava ho an’ny Mpitantana ny Fonjan’ Antanimora. Io fomba fiasa io dia hanatevenana ny paikady entina manatsara ny tontolon’ny Fitsarana sy ny fitantanana ny Fonja eto Madagasikara, ady amin’ny kolikoly ary famerenana ny fahatokisan’ny Vahoaka ny Fitantanana ny raharaham-panjakana. Marihina fa naharitra ora dimy ny asa nataon’ny Minisitry ny Fitsarana tao amin’ny Fonjan’ Antanimora.